• Cours de change
  • 5126.67 AR
  • |
  • $4472.59 AR
Copyright Image : © Hwpl
Image
Vaovao

Firotsahana an-tsitrapo : Misy mpitsikilo miafina ao ambadika, hoy ny minisitry ny Serasera

05/12/2025 15:34 © Moov.Mg

Aman’aliny ny isan’ireo mpirotsaka an-tsitrapo miasa eto Madagasikara, na tera-tany na vahiny, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, androany teny Anosy. Misy anefa ireo miafina ao ambadik’izany firotsahana an-tsitrapo izany, mba hitsikilovana ny zava-misy eto Madagasikara.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny firotsahana an-tsitrapo

Teny amin’ny Havoria Anosy no nanatanterahana ny fanamarihana nasiônaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny firotsahana an-tsitrapo, androany 5 desambra 2025. Diabe niainga teo anoloan’ny Kianja Barea Mahamasina no nanombohana ny fankalazana ary nitohy nihazo ny efitrano Havoria eo anivon’ny Ofisin'ny Radio sy Televizionim-panjakana (ORTM).

Eto Madagasikara dia misy mpirotsaka an-tsitrapo tera-tany sy vahiny an’aliny. Miasa amin’ny sehatra samy hafa izy ireo, toy ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny tontolo iainana, ny ady amin’ny herisetra, sns… Manampy betsaka ny fitondram-panjakana ny asa tanterahin’izy ireo, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa. Lohahevitra voizina nandritra ity fankalazana androany ity ny hoe : « Manan-danja ny fandraisana anjaran’ny tsirairay ». Tsy ny fandraisan’anjaran’ireo mpirotsaka an-tsitrapo ihany, fa ny an’ny olom-pirenena tsiraray mihitsy no manan-danja, hoy ny minisitra.

Fisorohana ny asa fitsikilovana

Nambaran’ny minisitra Gascar Fenosoa anefa, fa misy amin’ireo olona mody mirotsaka an-tsitrapo eto Madagasikara no mpitsikilo, fa miafina ao ambadik’izany fanaovana asa soa izany. Ny haka fahalalana misimisy kokoa amin’ireo sehatra stratejika, toy ny harena an-kibon’ny tany na ny raharaham-panjakana no tena ahatongavany eto, araka ny fanazavana. Vokatr’izany dia nampitombo ny fepetra sy ny mason-tsivana amin’ireo malagasy sy vahiny mirotsaka an-tsitrapo eto amintsika ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny sampan-draharaha fampiroboroboana ny filatsahana an-tsitrapo sy ny fanentanana eny ifotony (DPVAC), izay mijoro eo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Araka ny fanazavan’ny minisitra dia hamafisina ny fepetra ary hisy ny fifanarahana hapetraka. « Efa nentina teo anatrehan’ny filàn-kevitry ny governemanta izany, tamin’ny talata lasa teo, ary nankasitrahan’ny praiminisitra sy ireo mpikambana », hoy i Gascar Fenosoa. Izany moa no hatao dia mba hamehezana ireo fahalalana (renseignements/Informations) tsy tokony hiparitaka.

Lire la suite

Articles Similaires