Distrikan’i Moramanga : Mponina miisa 7 500 no hisitraka ny herinaratra avy amin’ny rano ao Andriambe
Notokanana omaly, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny rano, manana tanjaka 200 kW, ao Andriambe, Kaominina Ambanivohitra Mandialaza, Distrika Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro.
Amin’izao fotoana izao dia himasoan’ny fitondrana ny fampiasana ny angovo azo havaozina amin’ny fampisitrahana herinaratra ho an’ny Malagasy. Isan’izany ity ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ity. Izy ity dia fiaraha-miasa eo amin'ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P) amin'ny alalan'ny ADER, ny ONUDI, ny CEAS Madagascar, ary ny orinasa SIER-GC. Nitarika ny lanonana tamin’izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Andriamatoa Ralitera Ny Ando Jurice, sy ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena ho an'ny Faritanin'i Toamasina, Andriamatoa Razara Pierre Ravolaza Fidèle, notronin'ireo manampahefana sy tompon'andraikitra isan-tsokajiny.
Maherin’ny 7 500 ny mpisitraka
Miasa mandritra ny 24 ora isan’andro ity toby mpamokatra herinaratra 200kW. Amin’izao taona voalohany izao, dia hahafahana manome herinaratra ho an’ny toeram-ponenana miisa 498 izy ity, orinasa miisa 42, ary biraom-panjakana 9. Mirary ny sandan'ny herinaratra ho an'ny mpanjifa, satria manomboka amin'ny 650 Ar ny 1 KWh, raha ny fanazavana.
Raha atotaly, dia mihoatra ny 7 500 ny isan'ny olona hahazo tombontsoa mivantana sy ankolaka amin’ity fotodrafitrasa vaovao ity amin’ireo tanàna manodidina dia Antseva sy Fiherenana. Hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina ity tobim-pamokarana herinaratra ity. Mahazo jiro ny tokantrano, afaka mianatra ny mpianatra amin’ny alina, ary afaka miasa amin’ny fomba azo antoka sy milamina kokoa ny tobim-pahasalamana sy ny biraom-panjakana. Afaka hampivelatra ny asany ny mpanao asa-tanana sy ireo seha-pihariana hafa rehetra, ny orinasa madinika sy salantsalany. Raha fintinina, dia hanampy amin’ny fanovana ara-toe-karena eo an-toerana ary hanokatra fahafahana vaovao ho an’ny rehetra ity fotodrafitrasa ity.



