• Cours de change
  • 5096.3 AR
  • |
  • $4475.16 AR
Copyright Image : © Mtm
Image
Vaovao

Fotodrafitrasan’ny lalana : Hamafisina ny fanentanana ny fomba fampiasana ny lalambe migodana

02/12/2025 13:56 © Moov

Miasa soa aman-tsara ny ampahan’ny lalambe migodana mirefy 8Km, izay efa vita amin’izao fotoana izao. Nidina ifotony nitsirika sy nanentanana ho amin’ny filaminan’ny lalana ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny fitaterana.

Fampianarana sy fanentanana 2 herinandro

Tanjon’ity fidinana ifotony ity ny hanamafisana ny fampianarana sy ny fanentanana ny mpampiasa lalana sy ny mponina manodidina iny lalana iny. Haharitra roa herinandro ny asa ho tanterahin’ny Police des Transports Routiers (PTR avy ao amin’ny ATT) sy ny Zandary. Araka izany, fanentanana sy fampianarana ny fomba fampiasana lalana aloha no hatao mba hahafahana mikolokolo ny fotodrafitrasa ho an’ny daholo be. Hatao hentitra izany ny fanarahana ny lalàna ho an’ny olona rehetra dia ny mpitondra fiara, kodiaran-droa, sarety ary mpandeha tongotra.
Etsy ankilany dia hisy ihany koa ny fanentanana manokana ho an’ny mponina isam-pokontany araka ny fandaharam-potoana omen’ny Ben’ny Tanàna. Marihina moa fa niaraka tamin’ny Minisitera nanao izao fitsidihana izao ny Ben’ny Tanànan’i Ambohimanga Rova sy Ambatolampy Tsimahafotsy, ny Solontenan’ny fitalevama-paritry ny fitaterana Analamanga, ny Police des Transports Routiers (PTR/ATT) ary ny Zandary avy amin’ny Tobim-paritry Ambohimanga Rova sy PF Ambatolampy Tsimahafotsy.

Hatsaraina ny fampahafantarana eny amin’ny lalana

Mba ho fanatanterahana ny fepetra hentitra dia ho hatsaraina ihany koa ireo takelaka famantarana eny amin’ny lalana. Hojerena ny fametrahana ireo takelaka fandraràna mifehy ny bisikileta sy sarety eny amin’ny lalana, izay mbola tsy misy ankehitriny. Efa isan’ny hita teny amin’ny lalana mantsy ny sarety tarihin-tanana mandeha amin’ny lafiny mifanohitra amin’ny fiara. Ho apetraka ireny fampahafantarana ireny mba samy hahaizan’ny rehetra mifamoivoy eny. Ankoatra izay dia manana 2 herinandro ireo mpitatitra mba hanesorana ireo biriky teo amin’ny PK0–PK1. Manoloana izany ihany koa dia nangataka ireo mpitarika sarety ny mba hisian’ny lalana hafa voatokana hitateran'izy ireo entana, mba tsy hiverenan’ny olana.
Manomboka androany araka izany ny fampianarana ho an’ny mpampiasa lalana sy ny mponina.

Lire la suite

Articles Similaires