VIH/Sida : Tanora eo anelanelan’ny 20 hatramin’ny 49 taona no tena lasibatra ankehitriny
Mihamitombo ny isan’ireo Malagasy tratran’ny aretina VIH/SIDA, raha ny antontan’isa. Tanora avokoa ny ankamaroan’ireo marary vaovao, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Managna Monira, omaly, nandritra ny fanamarihana ny andro eran-tany iadiana amin’ny VIH/SIDA.
Andro eran-tany iadiana amin’ny VIH/SIDA
Tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Bemasoandro Itaosy, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, no nanatanterahana ny fanamarihana nasiônaly ny andro eran-tany iadiana amin’ny VIH/SIDA, omaly 1 desambra 2025. Lohahevitra voizina maneran-tany, amin’ity taona ity ny hoe : « Mihoitra amin’ny sakana, mampahomby ny paikady iadiana amin’ny VIH/SIDA ».
Ho an’i Madagasikara manokana dia tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny olona tratran’ny otrikaetina VIH, nanomboka tamin’ny taona 2010, araka ny nambaran’ny ONUSIDA. Tafakatra 279% ny taham-pahafatesana mifandraika amin’ny aretina SIDA eto Madagasikara, hoy i Jude Padayachy, talen’ny ONUSIDA ho an’i Madagasikara, Kaomôro ary Seychelles, tamin’ny volana mey 2025. Ny 18%-n’ny Malagasy miaina miaraka amin’ny VIH ihany anefa no mahazo fitsaboana.
Aretina azo sorohina
Raha ny antontan’isa navoitran’ny Dr Managna Monira, omaly, nandritra ny fandraisam-pitenenany, dia tombanana ho 90.000 ny isan'ny olona tratran’ny VIH/SIDA eto Madagasikara. Manodidina ny 32.000 amin’ireo ihany anefa no voatily ho mitondra izany tsimokaretina izany. Raha izany no jerena, dia misy olona 58.000 mandehandeha any ho any, manerana an'i Madagasikara, tsy voatily, nefa mamindra tsimokaretina amin’olon-kafa. Raha ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka hatrany dia zatovo sy tanora ao anatin’ny sokajin-taona 20 hatramin’ny 49 taona no ankabeazan'ireo marary vaovao nifindran’ny tsimokaretana VIH, eto amintsika.
Nanipika ny Dr Managna Monira fa ataon’ny Fitondrana ankehitriny ho laharam-pahamehana ny sehatry ny fahasalamana, ka tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny VIH/SIDA. Ny fiaraha-mientan’ny rehetra ihany koa no ilaina, hoy izy, satria tsy mitovy amin’ny zava-nisy tamin’ny 20 taona lasa intsony ny zava-misy ankehitriny. Nanentana ny rehetra mba hiova toe-tsaina ihany koa ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ka mandritra ny taona mihitsy no mila miady amin’ny aretina. « Aza ailika ny mpiray tanindrazana mitondra ny VIH », hoy ny nambarany. Isan’ny tanjon’izao fankalazana izao rahateo ny hanesorana ny henatra sy ny tahotra mbola mitoetra, ny fanilikilihana, ary ho fanentanana fa azo fehezina sy azo sorohina tsara ny fihanaky ny aretina, amin'ny alalan'ny fitiliana sy ny fiarovan-tena.



