Ady amin’ny tazomoka : Olona maherin’ny 700 000 amin’ireo faritra marefo no ho voaaro amin’ny famendrahana fanafody
Nanomboka ny 17 Novambra ka hatramin’ny 12 Desambra 2025, manerana distrika efatra marefo ao anatin’ny faritra Vakinankaratra, no hanatanterahana ny hetsika famendrahana odimoka an-trano izay hiarovana mponina 700 000 mahery.
Fepetra mivaingana ho an’ny fiarovana ny mponina
Misitraka izany ny ao Mandoto, Isandra, Ikalamavony ary Ankazoabo Atsimo. Atao isan-tokantrano izany ary ao anaty trano avy hatrany no hamendrahana ny fanafody. Tokana ny tanjona dia ny hamonoana sy hanafoanana ireo moka mpitondra aretina. Marihina fa manampy ity hetsika ity ny avy amin’ny Governemanta Amerikana, izay tarihin’ny Masoivohony eto Madagasikara. Efa an-taonany maro no mpiara-dalana amin’ny Madagasikara sy ny fitondram-panjakana ity masoivoho ity, indrindra amin’ny sehatry ny fahasalamana.
Maro amin’ireo mponina no efa niatrika ady sarotra tamin’ity aretina tazomoka ity, indrindra amin’ny vanim-potoana be rotsakorana. Izao fanampiana izao no raisin’izy ireo ho toy ny dingana lehibe hiarovana ny fianakaviany. « Tsy fitsaboana sy fanampiana fotsiny fa natao indrindra hampilamin-tsaina ny hetsika », hoy ny renim-pianakaviana iray ao Ikalamavony, izay mankasitraka indrindra ny tohana avy amin’ny Amerikanina.
Fiaraha-miasa maharitra ho an’ny fahasalaman’ny rehetra
Mihoatra ny tokantrano 135 000 no voakasiky ny hetsika. Etsy andaniny dia tsy mitsahatra ny fanentanana: ny fomba fampiasana ny fanafody toy ny fanokafana varavarankely aorian’ny famendrahana, ary ny fitandrovana ireo ankizy amin’ny ora voalohany hisian’ny fanafody. Ny ekipan’ny fahasalamana eo an-toerana dia miara-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny tetikasa, mampita toromarika ary mizara fiofanana.
Raha tsiahivina dia mbola loza mitatao ho an’i Madagasikara ny aretina tazomoka, manimba ny toekarena sy mamono olona isan-taona. Nanambara ny avy ao amin’ny Masoivoho Amerikanina fa mila rafitra matanjaka, fanohanan’ny mpiara-miombon’antoka ary fanabeazana mitohy ho an’ny olom-pirenena ny fanafoanana ity aretina ity. Amin’ny alalan’ity hetsika ity ihany koa, ny Governemanta Amerikana dia manamafy fa mijanona ho mpiara-dia maharitra amin’ny vahoaka Malagasy.



