Fambolen-kazo : Hampiasaina ny « drone », ho an’ireo toerana saro-dalana sy be velarana
Tsy azo ihodivirana intsony ny fampiasana ny teknôlôjia maoderina, amin’ny fitantanana ny tontolo iainana. Hisy, noho izany, ny andrana hotanterahina amin’ny famafazana voa amin’ny alalan’ny fampiasana « drone », any amin’ireo faritra saro-dalana, amin’ity taom-pambolen-kazo 2025-2026 ity.
Famafazana voa amin’ny alalan’ny « drone »
Nitsidika ny orinasa Aerialmetric ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny 28 novambra lasa teo. Miompana amin’ny famokarana sy fampiasana “drone” eto Madagasikara ity orinasa ity ary efa manana traikefa matanjaka amin’ny fizarana fanafody sy fanaraha-maso ny tontolo iainana. Sidina efa mihoatra ny 10 000 no vitany hatramin’ny taona 2019.
Nandritra ity fitsidihana nataon’ny minisitra Manesimana Rafanomezantsoa Michaël ity no nifampiresahana momba ny firaha-miasan’ny Aerialmetric amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Nisongadina tamin’izany ny momba ny fiaraha-miasa amin’ny fanatevenana ny atiala eto Madagasikara, ka ny « drone » no hampiasaina amin’ny famafazana voa, any amin’ireo toerana be velarana sy saro-dalana. Tanjona ny hampiroboroboana ny fambolen-kazo. Hosantarina amin’ity taom-pambolen-kazo ity ny andrana voalohany, mialohan’ny hanitarana izany manerana ny Nosy, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana.
Ady amin’ny doro tanety sy doro ala
Efa nanomboka niroso tsikelikaly tamin’ny fampiasana ny « drone », amin’ny fikajiana sy fiarovana ny ala, ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka. Tamin’ny volana jona, tamin’ity taona ity, ohatra, dia nanolotra « drone » avo lenta miisa telo ho an’ny ministera, ny masoivohon’i Sina eto Madagasikara. Natao indrindra ho fanaraha-maso ny fisorohana ny doro tanety ireto « drones » ireto. Efa nisy ihany koa ny fampiofanana ireo teknisianina eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny ministera, momba ny fampiasana « drone » sy ny fikirakirana ny sarintany avy amin’ny zana-bolana, niarahana tamin’ny Global Forest Watch. Isan’ny nisitraka izany ny tany Sofia, DIANA, Boeny, Betsiboka. Tahaka izany koa ireo mpitantana faritra Arovana. Araka izany, manampy amin’ny fanarahana ara-potoana ny fivoaran’ny afo sy amin’ny fanamafisana ny paik’ady hiadiana amin’ny doro tanety sy ny doro ala ihany koa ny « drone ».



