• Cours de change
  • 5094.51 AR
  • |
  • $4474.21 AR
Copyright Image : © Top Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Andro mafana : torohevitra hisorohana ny « mycose »

27/11/2025 11:59 © Moov.Mg

« Infection » iray isan’ny mampijaly tokoa ny « mycose ». Mangidihidy, manorisory ary indraindray miverimberina izy io. Rehefa andro mafana toy izao moa no tena miparitaka ny « champignons » mahatonga azy io. Ahoana ary ny fomba atao hisorohana ny « mycose » mandritra ny andro mafana ?

Inona no atao hoe « mycose » ?

Ny « mycose » dia « infection » azo avy amin’ny « champignons », ka ny « champignons candida albican » matetika no mahatonga azy io. Mipetraka ara-boajanahary eo amin’ny hoditra, ny taovam-pananahana, ny « muqueuses » na ao amin’ny tsinay ireo « champignons » ireo. Rehefa mihabetsaka loatra tsy voafehy izy ireo dia mety mahatonga « inflammation » sy mampangidihidy. Rehefa andro mafana toy izao moa no tena mampijaly ny « mycose » satria ny hafanana dia miteraka hatsembohana sy fandehanana amin’ny toerana mando, toy ny toeram-pilomanosana… izay tena tian’ireo « champignons » ireo.

Ahoana ary ny atao hisorohana ny « mycose » ?

Mba hisorohana ny fiparitahana ny « champignons » mahatonga ny « mycose » dia misy ireo fepetra tsara arahana mandritra ny vaninandro mafana :

Fadiana ny manao pataloha na « short » tery loatra

Ny fanaovana ambanin’akanjo tery loatra mandritra ny andro mafana ny manery sy mampihiboka loatra ny elakelam-pe ka mampiroborobo ireo bakteria mahatonga ny « mycose ». Tsara arak’izany raha fitafy malaladalaka no hanaovana mba hisorohana ny « mycose vaginale » sy ny « infections urinaires ». Toy izany ihany koa ny mikasika ny kiraro. Ferana ny fanaovana kiraro mihidy izay mahatsembo-tongotra mba tsy hampisy ny « mycose » ao amin’ny tongotra.

Mikobana sy mandro rehefa avy milomano

Maro tokoa ny mankafy milomano rehefa andro mafana toy izao. Na any amin’ny dobo filomanosana na eny amin’ny ranomasina dia ilaina hatrany ny mikobana tsara sy mandro rehefa avy manao « maillot de bain ». Mipetraka eny amin’ny hoditra ary mitsofoka ao amin’ny taovam-pananahana ireo « micro-organismes » anaty rano. Rehefa mivoaka ny rano ka tsy hilomano intsony dia mila esorina avy hatrany ny « maillot » fa tsy avela eny an-koditra avy eo tonga dia mandro. Tsy adinoina ny mifafa tsara mba tsy hisy mandomando ny vatana.

Tandremana ny sakafo hoanina

Ny sakafo hoanina ihany koa dia mety hitarika « mycose », indrindra rehefa amin’ny vaninandro mafana. Anisan’ireo sakafo mila ferana na fadiana arak’izay azo atao ny siramamy, hena mena, fromazy sy « charcuteries »… raha toa ka efa tratran’ny « mycose » matetika. Ny sakafo manatsara ny « flore vaginale » no tena tsara hoanina, toy ny voankazo, legioma, yaourts, trondro sasany… Tsy tsara ihany koa ny mihinana « antibiotiques » matetika loatra satria sady mamono ireo bakteria ratsy izy ireo no mamono ireo tsara.

Lire la suite

Articles Similaires