Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE) : Miantona aloha ny fanatanterahana azy
Miantona ny fanatanterahana ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE) taona 2025-2026, araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina omaly 26 novambra 2025.
Fanatsarana ny zotram-pifidianana
Amin’ny maha-fanavaozana isan-taona azy, dia fotoana efa ifanomezana izy io, raha ny tokony ho izy, na misy na tsy misy ny fifidianana. Ny andininy faha 33 amin’ny lalàna fehizoro faha-2018-008 tamin'ny 11 mey 2018, mikasika ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka, no mamaritra fa « manomboka ny 1 desambra hatramin'ny 15 mey amin'ny taona manaraka, ny lisi-pifidianana any amin'ny Fokontany sy ny Rejisi-pifidianana eto amin'ny firenena dia havaozina isan-taona, ka ny tomponandraikitra ao amin'ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana no manao izany ».
Tsy mbola nisy aloha ny fanazavana momba ny antony nandraisana ity fanapahan-kevitra ity, saingy efa voaresaka matetika, tao anatin’ny fitakian’ny vahoaka amin’izao Repoblika Fanavaozana izao, ny tokony hanatsarana marina tokoa ny zotram-pifidianana eto Madagasikara.
Fanadiovana ny lisi-pifidianana
Nandritra ny fampahafantaran’ny praiminisitra Rajao¬na¬rivelo Herintsalama ny momba ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE), tamin’ny herinandro lasa teo, dia ny fikarakarana fifidianana marina sy mangarahara ary handraisan’ny rehetra anjara no isan’ny fanambin’ny go¬vernemanta amin’izao fotoana. Dingana hirosoana, mialoha izany, ny fikarakarana fikaonandoham-pirenena, izay handraisan’ny rehetra anjara ihany koa, ny fanavaozana ny didy aman-dalàna momba ny fifidianana sy ny antoko poli¬tika, ary ny fanavaozana ifotony ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI).
Niisa 12 078 427 ireo mpifidy voasoratra anarana, taorian’ny fikirakirana rehetra nandritra ny RALE 2024-2025. Nahitam-piakarana 3,31% io isa io, raha ampitahaina tamin’ny RALE 2023-2024, izany hoe : niisa 386.621 ireo mpifidy vaovao tafiditra tao anatin’ny lisi-pifidianana, araka ny antontan’isa navoakan’ny avy eo anivon’ny CENI. Isan’ny fitakiana nandritra ireny tolom-bahoaka ireny ny fanadiovana ny lisi-pifidianana, izay nahitana anarana niverina in-droa sy olona efa nodimandry hatrany, teo aloha.



