• Cours de change
  • 5094.51 AR
  • |
  • $4474.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

« Ampela Online » : Vehivavy mpandraharaha miisa 5 notoloran’ny Yas fankasitrahana

27/11/2025 14:31 © Moov.Mg

Andriambavilanitra miisa 5, avy amin’ny andiany voalohany nanaraka ny fampiofanana « Ampela Online », no notoloran’ny Yas Madagascar loka androany, tao anatin’ny lanonana izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny tsingerin-taona voalohan’ny Yas.

Fanofanana mampivoatra ny vehivavy

I Menja avy any amin’ny distrikan’i Miandrivazo, Faritra Menabe, no nandrombaka ny laharana voalohany, tamin’ny fifaninanana fandraharaharana natokana ho an’ny vehivavy, ao anatin’ny fandaharanasa antsoina hoe : « Ampela Online ». Lehibena koperativa iray avy any amin’ny Distrika niaviany i Menja, izay ivondronan'olona 14. Vehivavy tsy manam-bady nefa mamelon-janaka izy ireo, amin’ny ankapobeny. Nahatsapa i Menja fa mijaly ireo vehivavy tsy manam-bady. Etsy an-daniny, betsaka ny vokatra miakatra any an-toerana, saingy zary lo sy verivery fotsiny. Antony nahatonga azy hanangana ny orinasa Mioty MJ izany, izay miompana amin’ny fanodinana ireo vokatra ho zary sakafo azo tahirizina.

Ankoatra ani Menja, dia isan’ny notoloran’ny Yas loka ihany koa i Asmine, izay manjaitra sy mivarotra akanjo silamo ; i Mampianina, izay manao « crochet » ; i Arlette, avy any Maroantsetra, izay misehatra amin’ny fanamboarana « chips banane plantin » ; ary i Natacha, izay mandraharaha amin’ny fanamboarana mofomamy. Samy niara-niaiky izy ireo fa nampivoatra ny velon-tenany ny fanofanana maimaim-poana notovozina ary nahatonga azy ireo ho sahy nanitatra ny fandraharaharana tanterahiny avy.

Vehivavy miavotra sy matoky tena

Nivoaka avy amin’ny andiany voalohany tamin’ny fampiofanana « Ampela Online » izy 5 mirahavavy ireto. 25 no isan’izy ireo tany am-piandohana, fa izy 5 no voasafidy hiatrika ny famaranana. Nofanina mba ho mpandraharaha matianina izy ireo, hahafehy ny teknôlôjia vaovao sy nomerika, ny varotra anaty tambajotran-tserasera ary koa ny fitantanam-bola. Raha tsiahivina, ny « Ampela Online » dia fandaharanasa tohanan’ny Yas Madagascar. Mpiara-miasa amin’ny fanofanana ny Stem4Good, ary ny Maison du Numérique no nanome ny toerana niofanana. Nanohana teo amin’ny lafiny fampiatiana ara-bola sy ny fanabeazana ara-bola ny Mvola, raha nanampy teo amin’ny fanofanana momba ny fandraharaharahana ara-nomerika kosa ny Axian University sy ny Nexta. Maharitra roa volana ny fampiofanana isan’andiany, ka vehivavy 25 isak’izany andiany izany no raisina. Andiany miisa 4 no ofanina mandritra ny taona iray. Misokatra amin’ireo vehivavy 18 taona no ho miakatra, efa manana fandraharaharana madinika (activité génératrice de revenu), ny fandaharanasa « Ampela Online ».

Tanjona, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra ny fanomezana sehatra ny vehivavy, mba ho vehivavy miavotra, manana fahatokisan-tena, sy mahay mitondra olona.

Lire la suite

Articles Similaires