« Extinction de voix » na hoe tsy mahatafavoaka feo : inona no atao ?
Toe-javatra mety mitranga ny hoe lasa farim-peo na tsy dia mahatafavoaka feo tsara rehefa voan’ny sery. Raha terena hamoaka feo ny « cordes vocales » dia mety vao maika lasa tanteraka sy tsy mivoaka intsony ny feo. Ireto ary misy torohevitra vitsy manampy raha tsy mahatafavoaka feo intsony vokatry ny sery na areti-tenda.
Ireo antony mahatonga ny feo tsy mivoaka intsony vokatry ny sery, areti-tenda…
Ny « inflammation du larynx » sy ny fihikikiana be loatra matetika no antony mahatonga ny feo tsy mivoaka intsony. Rehefa mitranga moa izany dia ny fanantonana mpitsabo no fomba azo antoka indrindra hamantarana ny antony nahatonga izany sy ny fitsaboana atao raha ilaina. Amin’ny ankapobeny moa dia maharitra eo ho eo amin’ny 24 ora na andro vitsivitsy io tsy fahatafavoahan’ny feo io ary misinda ho azy. Raha toa kosa ka maharitra mihoatra ny herinandro dia mila manantona mpitsabo ORL. Raha vao manomboka lasa ny feo dia misy ireo torohevitra azo ampiharina hampiverina azy malaky kokoa.
Tsy terena hivoaka ny feo mba hitandrovana ny « cordes vocales »
Alohan’ny zava-drehetra dia fadiana ny manery ny « cordes vocales ». Raha toa ka tsy mahatafavoaka feo intsony vokatry ny sery na rehefa avy nanao fety dia mila avela maka aina ny feo. Ankoatra izay dia fadiana aloha ny misotro toaka sy mifoka sigara mandritra io fotoana io. Zava-pisotro mafana na matimaty no sotroina. Mila matory tsara ihany koa. Izany no atao mba hitandrovana ny « cordes vocales ».
Petahana compresse na lamba mafana eo amin’ny tenda
Fikafika natoraly manampy hampitoniana ny areti-tenda ny fipetapetahana compresse na lamba mafana eo amin’ny tenda. Ny hafanana dia manana fiasa « anti-inflammatoire » ka manampy amin’ny fanasitranana ny areti-tenda sy mampiverina ny feo tsy mivoaka vokatry ny « laryngite ».
Mihevoka kininim-potsy
Manampy betsaka amin’ny fampitoniana ny tenda marary, ny « cordes vocales » sy ny « pharynx » ny hevoka kininim-potsy. Raha manana huile essentielle d’eucalyptus moa vao maika mandaitra kokoa hevohana. Tsotra ny atao, asiana huile essentielle 3 mitete anatin’ny rano mangotraka iray bol. Ampanantonana eo ny tarehy ary fohana ny entona. Tsy mety amin’ny bevohoka, mampinono ary ny ankizy latsaky ny 6 taona ity torohevitra ity.
Tantely, mampitony sy mitsabo ny areti-tenda
Akora natoraly tena manampy hampisindana ny areti-tenda sy ny feo tsy mivoaka vokatr’izany ny tantely. Manana fiasa mampitony sy « antiseptiques » tokoa mantsy izy io. Afangaro amin’ny voana kesika (pomme de pin) izy io no tena mandaitra. Alaina ny voana kesika mbola maitso sy tsy misokatra iny. Sasana tsara ary alona anaty tantely mandritra ny iray volana. Rehefa vita izay dia tatavanina tsara. Tehirizina anaty bocal mihidy tsara amin’ny toerana mangatsitsiaka. Io no ampiasaina rehefa marary tenda na sendra tsy mivoaka intsony ny feo. Azo anamamiana dite na hoanina amin’izao.



