Famokarana : Vita ny fotodrafitrasa fanondrahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’i Vohipeno
Vita soa amantsara ny fotodrafitrasa lehibe entina hanondrahana fambolena (station de pompage) ao amin’ny Kaominina Ivato sy Vatomasin, Distrikan’i Vohipeno. Izany dia fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE) amin’ny fandaharan’asa DEFIS.
Tokantrano miisa 3 000 no hahazo tombony
Teknolojia manara-penitra no ampiasaina amin’ity asa notanterahina ity satria dia « panneaux solaires » miisa enina amby fitopolo sy dimanjato (576) no hita ao. Hanosika paompy miisa 8 ireo. Natao indrindra izany mba hampivoarana sy hampiakarana ny famokarana ao amin’ireo kaominina roa ireo. Raha ny tanjon’ity fotodrafitrasa ity dia tokantrano miisa hatramin’ny telo arivo (3000) no hahazo tombony amin’izany. Ao anatin’izany dia antenaina ny hahazoana vokatra indroa isan-taona amin’ireo tany izay ho voatondraka. Tombanana hihoatra ny sivifolo sy sivin-jato sy efatra arivo (4 990) taonina izany, hoy ny avy ao amin’ny Minisitera. Raha ny tomban’ny tetikasa dia hanondraka velaran-tany hatramin’ny sivifolo sy sivin-jato (990) hektara izy. Dimampolo sy telon-jato (350) ao Ivato ary efapolo sy enin-jato (640) kosa ao Vatomasina.
Asa ho an’ny olona eny ifotony
Isan’ny fanambin’ny tetikasa ihany koa ny hanome asa ireo tanora eny ifotony. Tamin’ny fananganana ny fotodrafitrasa dia tanora, zanaky ny faritra, miisa 100 no niasa isan’andro, nandritra ny 10 volana. Niteraka asa sy nanome traikefa azy ireo indrindra izany. Ankoatra izany dia fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana teo amin’ny MINAE amin'ny alalan'ny Programme Defis, Ny FIDA ary ny UNOPS no nanatanterahana azy. Nanamarika ny avy ao amin’ny MINAE fa fotodrafitrasa mamaly ny hetahetan’ireo mpamokatra efa an-taonany maro ity natao ity. Mamaly ny fahampiana rano ho enti-mamokatra ary ho afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro izany.



