• Cours de change
  • 5079.81 AR
  • |
  • $4472.21 AR
Copyright Image : © Mcc
Image
Vaovao

Randrianiaina Miorhasina Lorah, nandray ny toerany omaly : « haverina amin’ny vahoaka malagasy ny TVM »

26/11/2025 06:56 © Moov.Mg

Tontosa omaly 25 novambra 2025 ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny fahitalavi-pirenena (TVM) mpisolo toerana, Ranarivelo Nampoina sy ny tale vaovao, Randrianiaina Miorhasina Lorah. Ny filànkevitry ny minisitra notontosaina ny alarobia 19 novambra 2025 no nanendry azy hitazona izany andraikitra izany. Andeha hofantarina bebe kokoa ny mombamomba azy.

Nisehatra tamin’ny haino aman-jery

Randrianiaina Miorhasina Lorah, 38 taona izy ankehitriny, manam-bady ary manan-janaka mianadahy. Efa 20 taona izao no niseharany tamin’ny haino aman-jery, tamin’ny asa sy andraikitra samihafa. Raha tsiahivina fohifohy dia nanomboka tamin’ny taona 2005 no nahafantarana izany « Miorhasina » izany, tamin’ny filalaovana sarimihetsika malagasy. Fa tsy nilalao fotsiny izy, fa nikarakara ny tany ambadiky ny fakan-tsarimihetsika (caméra) ihany koa. Taty amin’ny taona 2012 indray, dia nanolotra fandaharana maraina tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray izy. Taorian’izay, teo anelanelan’ny taona 2013 hatramin’ny taona 2020, dia tany ambadiky ny fakan-tsarimihetsika kokoa no tena niseharany. Niasa tamin’ny trano mpamokatra dokam-barotra sy fanadihadiana iray izy, ka ny taona 2020 dia lasa talen’ny famokarana tao amin’io orinasa io.

Fahitalavi-pirenena, fahitalavitry ny Malagasy

Tetsy any-daniny izay dia efa nanomboka nanangana ny orinasany manokana ihany koa Randrianiaina Miorhasina Lorah, ary isan’ny niompanany ny firotsahana tao anatin’ny ady amin’ny herisetra sy ny fampanjariana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy. Nisokatra nanomboka ny taona 2019 ny pejy Facebook LorahGasy, izay niresahana manokana momba ny ady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy. Nitarika tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny ministeran’ny mponina sy ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA) izany, dia teraka ny fandaharana mitondra ny lohateny hoe : « Herisetra Teboka », izay nandeha tamin’ny TVM sy ny fahitalavitra tsy miankina. Taorian’izay dia lasa nanolotra fandaharana maraina tao amin’ny TVM izy, fa nitohy ihany koa ny fandaharana notontosaina tany anaty tambajotra sosialy sy ny horonan-tsary nandeha tamin’ny fahitalavitra, toy ny « Sekosekon’i Mialy », izay sady nahitana azy nilalao indray.

Ankehitriny, voatendry ho amin’ny andraikitra mavesatra, ao amin’ny fahitalavitra izay efa niseharany ihany Randrianiaina Miorhasina Lorah. Amin’ny maha-andraikitra vaovao azy, dia tsy maintsy misy ny fitaintainan, hoy izy, fa tsy maintsy asiana fahatokisan-tena ihany koa eo akaikiny. Efa misy ny praograman’asa novinavinainy. Manan-danja lehibe amin’izany, ary isan’ny nitolomana, ny fahalalahana maneho hevitra, araka ny nambarany. Araka izany, haverina amin’ny vahoaka ny TVM. « Tsy fahitalavitry ny mpitondra io, tsy natao hanatsarana ny sarin’ny olona eo amin’ny fitondrana, fa an’ny vahoaka malagasy, ka rariny sy hitsiny raha mahazo vaovao marina ny vahoaka », hoy ny fanazavany. Ankoatra ny fizarana vaovao marina, dia eo ihany koa nhy fanabeazana izay tsy maintsy hiverenana ary tsy adino ny fialam-boly, araka ny fanazavany hatrany.

Fanendrena mampiady hevitra

Niteraka adihevitra ihany anefa ny fanendrena an-dRandrianiaina Miorhasina Lorah hitantana ny TVM. Rariny raha misy ny fanakianana, hoy izy, eo anatrehan’ny fisian’ireo tsy mankasitraka. Tsy ary hitovy hevitra daholo ny rehetra, fa ao anaty tany demôkratika isika, ka malalaka ny fanehoan-kevitra. « Mety misy ireo tsy mahalala ny lalana efa nodiaviko, dia ireo fotoana lavabe efa niseharako teo amin’ny sehatry ny haino aman-jery. Tsy dia matetika rahateo no niresahako izany tany anatin’ny pejiko. Fa aleo ny asa no handrefesana ny hoe : tokony ho izaho ve no hipetraka amin’ilay toerana sa tsia », hoy ny nambarany.

« Fanompoana » no nanekeny hitazona ity andraikitra ity, hoy ny fanazavany. « Raha vao voatendry aho, dia ranty nataoko voalohany tao anaty tambajotra Facebook ny hoe : hanompoana ny tanindrazana io toerana maha-talen’ny TVM io. Izany fitiavan-tanindrazana izany dia efa fanabeazana notovozina tany amin’ny skotisma. Vao 6 taona aho dia efa « Voronkely » (Mpanazava Eto Madagasikara, ndlr). Nanabeazana anay tamin’izany ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny Tanindrazana », hoy ny fanazavany.

Renim-pianakaviana sady tomponandraikitra

Etsy an-daniny, renim-pianakaviana Randrianiaina Miorhasina Lorah. Tsy mora ny mampiaraka ny adidy eo anatrehan’ny asa sy eo anatrehan’ny ankohonana. « Maka be ny fotoanako ny asa, indrindra vao nanomboka nanolotra fandaharana tao amin’ny TVM aho. Amin’ny enina latsaka fahefany aho no miala ao an-trano isan’andro. Ankoatra izay, mbola misy ny asa hafa izay sahaniko sy ireo firotsahana any anaty fikambanana. Fa efa napetraka kosa anefa ato an-trano ny hoe : manana 40mn avy izy mianadahy, isan’andro, iarahana amiko. Rehefa alahady, tsy maintsy entiko manaraka ahy izy ireo, na miasa aho na misy fotoana hafa », hoy izy mitantara.

Tsiahivina moa fa nanangana ny fikambanana Gasy Vavy Randrianiaina Miorhasina Lorah, tamin’ny volana aprily 2024. Ny fiarovana ny zon’ny vehivavy no tena iompanan’ny fikambanana. Raha misy, ohatra, trangana fanolanana, dia manao tan-tsoroka amin’ny fanatonana ny mpitandro ny filaminana ny fikambanana. Misy mpisolovava miasa an-tsitrapo ihany koa manampy amin’ny fiarovana azy ireny. Miisa 23 hatreto ireo vehivavy nahazo tan-tsoroka fiarovana avy amin’ny fikambanana Gasy Vavy. Ankoatra izay dia miezaka mampandray andraikitra ny vehivavy ny fikambanana. « Matetika isika no mieritreritra fa tsy omena sehatra ny vehivavy, nefa indraindray, isika mihitsy no tsy maka ny fahefana. Raha miandranda fiovana isika dia isika vehivavy mihitsy no mila mahasahy mandray andraikitra », hoy Randrianiaina Miorhasina Lorah. Tsara ny manamarika fa isan’ny mpiaro ny zon’ny ankizy eo anivon’ny UNICEF Madagasikara ihany koa ramatoa tale vaovaon’ny TVM.

Lire la suite

Articles Similaires