Hetsika 16 andro hiadiana amin’ny VBG 2025 : Ifantohana ny ady amin’ny herisetra an’habaka
Marihina androany 25 novambra ny andro iraisam-pirenena ho famongorana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy. Amin’ity daty ity ihany koa, isan-taona, no anombohana ny hetsika 16 andro hiadiana amin'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na mahavavy, fantatra amin’ny hoe : « 16 jours d’activisme ».
Fampanginana ny vehivavy
Tsy mitsaha-mitombo ireo trangana herisetra amin’ny sehatra maro samihafa, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Firenena Mikambana. Fa nosafidiana manokana ny hifantoka amin’ny ady amin’ny herisetra an’habaka, amin’ity taona 2025 ity, noho ity sehatra ity tena iroboroboan’ireo herisetra isan-karazany, izay ny vehivavy no tena lasibatra. Isan’izany ireo fandrahonana izay mikendry ny hampanginana ny vehivavy, indrindra ireo olona malaza any anaty tambajotra sosialy, noho izy misehatra amin’ny pôlitika, ny fiarahamonim-pirenena, na ihany koa ireo vehivavy mpanao gazety. Araka izany, nosafidiana manokana, amin’ity taona ity, ny lohahevitra hoe : « Isika rehetra miara-mientana ho famongorana ny herisetra an’habaka mihatra amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy ».
Ireny heverina ho fanehoan-kevitra tsy dia misy lanjany firy hita eny amin’ny efijery (écran) ireny, toy ny hafatra miafina, ranty, valina ranty, dia mety hiitatra vetivety ka hivadika ho lasa fandrahonana mavesatra ary hiafara amin’ny herisetra amin’ny tena fiainana, hoy ny fanehoan-kevitry ny Delegasiônin’ny Vondrona Eoraopeanina ho an’i Madagasikara. Zava-mateti-pitranga ankehitriny, hoy ny fanehoan-kevitra, ny fangalarana sary tsy nahazoana alalana, ny lainga izay miparitaka vetivety, ny fampiasana ny ilon-tsaina artifisialy (IA) hamoronana horonantsary, na sary, na feo ho toy ny tena izy (deepfakes), mba hanimbana ny vehivavy ary hahatonga azy ireo hangina.
Zon’olombelona
Araka ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana andiany faha-5 (EDSMD-V), natao tamin’ny taona 2021, dia vehivavy 1 amin’ny 3 eto Madagasikara no iharan’ny herisetra ara-batana. Vehivavy 1 amin’ny 7 kosa no iharan’ny herisetra ara-nofo. Ny 40%-n’ny herisetra dia nataon’ny ny vady, na ny sakaizan’ilay vehivavy.
Tsiahivina anefa fa manana ny lalàna 2019-008 isika eto Madagasikara, izay mahakasika ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na ny mahavavy. Hitohy hatramin'ny 10 desambra kosa, izay andro eran-tany ho an'ny Zon'olombelona, ny 16 andro iadiana amin'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na mahavavy.



