Hotelin-jazakely : Manampy ny ankizy amin’ny fanaovana enti-mody sy fianarana lesona
Ankoatra ny zo hihinana sakafo ara-pahasalamana, dia manana zo ny hianatra sy hahazo fahalalana ihany koa ny ankizy. Manambatra ireo zo ireo ny tetikasa Aintsoa, izay tanterahin’ny ONG Gret. Misy ny tolotra antsoina hoe : "Aide aux devoirs ", tanterahina ao anatin’io tetikasa io ary azo sitrahina eny anivon’ireo « Hotelin-jazakely » Nutri'zaza.
Manome tan-tsoroka ho an’ireo ankizy ary manampy azy ireo amin’ny fanaovana ny enti-mody sy ny fianarana ny lesona ny tolotra "Aide aux devoirs". Anjara asan’ireo « Hotelin-jazakely » voalohany ny tolotra sakafo ara-pahasalamana sy ampy otrikaina, ho an’ireo ankizy hatramin’ny 5 taona. Etsy an-daniny anefa, dia toerana natao hampivelatra ny mpianakavy, amin’ny sehatra maro ihany koa, ireny « Hotelin-jazakely » natsangan’ny Gret, tamin’ny alalan’ny orinasa sosialy Nutri'zaza ireny.
Fampivelarana ny sain’ny ankizy
Maro ny tolotra ara-tsôsialy hita eny amin’ireny toerana ireny, toy ny fanofanana arak’asa, tohana ara-tsaina, atrikasa fampivelarana ny sain’ny ankizy… Misy ihany koa ny fanampiana ireto farany amin’ny fanaovana enti-mody sy ny fianarana lesona. Nahita fivoarana tamin’ny zanany, hatramin’ny nisitrahany ny « Aide aux devoirs », i Haingoniriana Miarivola, renin'i Mahefa, mpianatra kilasy T2. Ao amin’ny Hotelin-jazakely Andravohangy i Mahefa no mandeha mianatra isaky ny sabotsy maraina amin’ny 8 ora hatramin’ny 10 ora, sy isaky ny alarobia tolakandro, amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora. « Sahirankirana izy taloha amin’ny kajy, fa izao efa tafavokany tsara izany », hoy i Haingoniriana Miarivola. Nambarany fa mampitony saina, amin’ny maha-ray aman-dreny azy, ny fahitana ny zanany tsy very fotoana fotsiny. Mirary rahateo ny saran’ny « Aide aux devoirs » eny amin’ny « Hotelin-jazakely ».
Maherin’ny 40 isa moa ankehitriny ireo tambajotran’ny « Hotelin-jazakely » manerana ny kaominina 30 isa eto Madagasikara. Eto Antananarivo, dia isan’ny ahitana izany eny Andravoahangy, Ambanidia Volosarika, Isotry, Namontana… Ireo Fokontany ahitana mponina marefo betsaka no tena nokendrena tamin’ny fananganana azy ireny. Misy ihany koa ireo mpanentana, mitety ny Fokontany, mizara Koba Aina ho an’ireo ankizikely, ho tohana sy hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo.



