Fahasalamana eny ifotony : namafisina ny fahaiza-manaon’ireo Reninjaza mpampiteraka any Ambanja
Tsy mbola ny antsasaky ny vehivavy malagasy akory no miteraka atrehin’ny mpiasan’ny fahasalamana, raha ny vokatr’ireo fanadihadiana isan-karazany. Mbola tena manana ny toerany ireo Reninjaza, indrindra any amin’ny faritra ambanivohitra. Noho izany dia manamafy ny fahaiza-manaon’izy ireo ny Rasazy miasa eny ifotony, any Ambanja, Faritra DIANA.
Vitsy ireo miteraka eny amin’ny tobim-pahasalamana
Ny 46% amin’ny fahaterahana eto Madagasikara no atrehin’ny mpiasan’ny fahasalamana manam-pahaizana momba ny fampiterahana, araka ny vokatry ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana andiany faha-5, natao tamin’ny taona 2021 (EDSMD-V, 2021). Ny 39 %-n’ny vehivavy malagasy ihany koa no miteraka eny anivon’ny tobim-pahasalamana, araka ny fanadihadiana MICS 2018. Maro, araka izany, ireo vehivavy mitoky amin’ny Reninjaza, noho ny antony maro samihafa. Eo ny fomba sy ny kolontsaina nifandovana tao amin’ny fianakaviana, ny tsy fahalalana, ny fahalaviran’ny tobim-pahasalamana, ny tahotra ny dokotera…
Araka izany, tsy azo ihodivirana, eo amin’ny sehatry ny fahasalamana eny fotony, ny fisian’ireo Reninjaza. Tahaka izany koa ireo mpitsabo nentim-paharazana, izay mbola atonin’ireo mponina any ambanivohitra any. Na izany aza, misy ireo ambana ara-pahasalamana, mety hitera-doza, ka mety ho tsy voafehin’ny fitsaboana sy fampiterahana nentim-paharazana. Efa nisy ny toeram-piterahana ifotony (CAC) napetraky ny ONG Santé Sud, tany Ambanja, saingy ilaina ihany koa ny manamafy ny fahaizan’izy ireo.
Fanamafisana fahaiza-manao
Ireo Rasazy eny ifotony (SFC) no nanome fiofanana ireo Reninjaza sy ireo mpitsabo nentim-paharazana tany Ambanja ireo. Lohahevitra maro no nodinihina, toy ny fanamafisam-pahalalana momba ny fahasalamana sy zo ara-pananahana, ny maha-zava-dehibe ny fizaham-pahasalamana sy fisafoana mandritra ny fotoanan’ny vohoka, ny fandrindram-piterahana, hatramin’ny fampahaleovan-tenan’ny vehivavy sy ny tanora. Tena zava-dehibe ihany koa ny nampahafantarana an’ireo Reninjaza sy ireo mpitsabo nentim-paharazana, ny momba ireo fambara mampiahiahy, izay mitaky ny fandraisana an-tanan’ireo matianina amin’ny fampiterahana faran’izay haingana.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PluriElles izao fanamafisana fahaiza-manao nomena ny Reninjaza sy mpitsabo nentim-paharazana any Ambanja izao. Ny ONG Santé Sud, miaraka amin’ny Réseau Mad'Aids no manatanteraka ity tetikasa ity, tohanan’ny Expertise France.



