Homamiadan’ny avokavoka : ireo fambara tokony hahamailo
Isan’ireo homamiadana tena mahafaty indrindra ny homamiadan’ny avokavoka. Anisan’ny antony mety mahatonga izany ny fahitana azy io tara loatra matetika. Misy amin’ireo fambara sasany moa indraindray tsy dia tsikaritra na hamaivanina, nefa efa fambara fanairana. Ny iray amin’izy ireo dia miseho rehefa vao mifoha maraina iny.
Fambaran’ny homamiadan’ny avokavoka : mikohoka be sy maharitra vao maraina
Raha toa ka mikoho-maina na mikohoka misy rehoka mafy sy maharitra nefa tsy voan’ny sery dia tokony ho mailo. Raha maharitra herinandro maro izany, indrindra ilay vao mifoha maraina iny, dia mety efa ho fambara aloha ny homamiadan’ny avokavoka izany.
Inona no mahatonga io kohoka vao maraina io ? Satria mandritra ny alina dia miangona ao anatin’ny taovam-pisefoana ny « mucus ». Eo amin’ny olana sasany tratry ny « tumeurs pulmonaires » dia miteraka kohoka vao maraina, ilay vao mifoha iny, izany. Marihana moa fa tsy voatery ho fambarana homamiadana io kohoka io, nefa kosa raha maharitra 3 herinandro no mihoatra izany nefa tsy fantatra mazava ny antony mahatonga azy (sery, allergie…) dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo.
Ireo soritr’aretina hafa tsy azo atao tsirambina
Ankoatra ny kohoka dia misy ihany koa ireo soritr’aretina hafa ny homamiadan’ny avokavoka mety mitranga ka tokony hahamailo :
-Mora sempotra na dia tsy mampiasa vatana mafy aza ;
-Misy manaintaina ao amin’ny tratra, tsy dia mafy be nefa maharitra, indrindra rehefa miaina (inspiration) ;
-Lasa farina na miovana ny feo ary tsy mety miverina amin’ny laoniny ;
-Mihena be tampoka tsy fantatra hoe naninona ary mahatsiaro rera-dava.
-Tsy fambara manokan’ny homamiadana moa ireo soritr’aretina ireo fa raha maharitra loatra izany dia aleo manantona mpitsabo.
Mpifoka sigara na mpifoka taloha : ambony kokoa ny « risque »
Ny fifohana sigara no antony voalohany mahatonga ny homamiadan’ny avokavoka. Ho an’ireo mpifoka sigara na mpifoka sigara taloha dia mila ambony kokoa ny fahamailoana raha toa ka mahatsikaritra ireo fambara ireo voalaza ireo. Tsy natao hampikoropaka moa izany fa mba hahafahana mahazo fandraisana an-tanana ara-potoana. Ambony kokoa ny « chance » hahafana mitsabo sy manasitrana ny homamiadan’ny avokavoka raha hita mialoha izany.



