• Cours de change
  • 5098.36 AR
  • |
  • $4467.72 AR
Copyright Image : © Journal Des Femmes Cuisinier
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « pizza de chou-fleur »

14/11/2025 08:03 © Moov.Mg

Maro tokoa ny olona tsy mahazaka « gluten » nefa dia tia hihinana « pizza ». Vahaolana iray tsy mampiasa lafarina azo hikarakarana ity farany ahazoana vokatra matsiro sy ara-pahasalamana kokoa ny « pizza de chou-fleur ». Araho eto ary ny fomba tsotra fikarakarana izany sy ireo akora ampiasaina.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra « pizza de chou-fleur »

-Soflera iray lehibe voakiky madinika na nototoina tanaty « robot » ;
-« Poudre d’amande » 125g ;
-Atody 2 ;
-Sira ;
-Menaka oliva 1 sotro fihinanana ;
-Fromazy voakiky 200g ;
-Voatabia mena tsara 1/4kg ;
-Tongolo 5 ;
-Oliva mainty ;

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

-Ny amin’ny fanamboarana ny « base ».
Afangaro anaty lovia jobo lehibe ny soflera manta voakiky, ny « poudre d’amande », ny atody, ny sira ary ny menaka oliva. Mila mifangaro mitambatra tsara avokoa ireo akora rehetra.
Velarana « papier cuisson » eo ambonin’ny « plaque de cuisson ». Avelatra eo ilay paty namboarina teo. Somary fisahana sy atao mifatratra tsara manaraka ny habe sy ny endrik’ilay « plaque ». Afaka mampiasa lasitra fanaovana « pizza » ihany koa.
Andrahoina kely anaty lafaoro amin’ny hafanana 200°C mandritra ny 15 minitra. Rehefa somary mahazo loko ny sisin’ilay paty dia esorina. Izany hoe tsy masahana be tanteraka.
-Ny fanaovana ny « garnitures » sy ny fanamasahana farany
Karakaraina ny saosy voatabia. Mampangotraka rano. Asiana sira kely. Atsoboka ao mandritra ny 3 minitra ny voatabia avy eo esorina. Rehefa mangatsitsiaka dia esorina ny hodiny. Tetehana ny tongolo. Miaraka potserina anaty « mixeur ».
Ataingina anaty lapoaly nasiana menaka tapaky ny sotrokely ny voatabia sy tongolo voatoto. Asiana sira. Avela hiketrika eo ambony afo antonony mandritra ny 10 minitra eo ho eo, mandrapaha masaka azy.
Osorana eo ambonin’ilay paty teo ny saosy voatabia. Alahatra eo manarak’izay ny oliva mainty efa voatetika. Rehefa vita izay dia rarahana fromazy eo amboniny. Azo asiana akora hafa, toy ny akoho, « charcuteries »… izay tiana ihany koa moa.
Ampidirina andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 200°C mandritra ny 15 minitra. Rehefa mitsonika ny fromazy dia vita.

Lire la suite

Articles Similaires