• Cours de change
  • 5098.36 AR
  • |
  • $4467.72 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

« Colisée » ao Anatirova : Hisy fanapahan-kevitra horaisina, aorian’ny fakan-kevitra ara-kolontsaina

13/11/2025 16:20 © Moov.Mg

Notanterahina androany 13 novambra 2025, teny amin’ny Havoria Anosy, ny fakan-kevitra ho fanavaozana ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto eto Madagasikara. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra isan-tsokajiny, toy ny mpihira, ny mpanoratra, ny mpikabary…

Fanarenana ny sehatry ny kolontsaina sy ny zavakanto

« Raha nohenoina ny hevitr’ireo mpisehatra momba ny vakoka sy ny tantara, dia tsy ho niteraka adihevitra be ny raharaha « colisée ». Io no isan’ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, O’Gascar Fenosoa Mandrindrarivony, androany, tao anatin’ny fakan-kevitra ho fanavaozana ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto, ho an’Antananarivo. Ohatra iray amin’ny vokatry ny tsy fihenoana ny hevitr’ireo olona voakasikaa mivantana amin’ireo lohahevitra mifandraika amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto, io nambarany io. Saika tsy mba nohenoina firy ireo mpisehatra ireo hatramin’izay, hoy ny minisitra, saingy ao anatin’izao fotoanan’ny fanavaozana izao, dia zava-dehibe ny hahenoana ireo olana sy handrosoana vahaolana, mba ho fanarenana.

Raha misy ny asa maika ka vitan’ny ministera avy hatrany, dia hotanterahina izany, hoy ny minisitra Gascar Fenosoa. Raha misy kosa ny fitakiana ny fanovana ireo adinin-dalàna maro samy hafa, dia ampandalovina amin’ireo dingana rehetra ilaina izany.

« Colisée », fotodrafitrasa mampiady hevitra

Taorian’ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ôfisialy ny fakan-kevitra, izay niraisan’ny mpandray anjara rehetra, dia nirosoana ny asam-bondrona isaky ny sokajy. Raha fehezina ny tanjon’izao fakan-kevitra izao dia ny fihenoana ireo olana sy ny fijerena ireo vahaolana eo amin’ny sehatry ny kolontsaina sy ny zavakanto. Tsy eto Antananarivo ihany no anatanterahana izao hetsika izao, fa nisy no efa nahavita ny azy ny tany amin’ny Faritra hafa, nandritra ity herinandro ity, ary misy ny mbola hanatanteraka izany rahampitso. Hatambatra ireo hevitra nivoitra, mba hahafahana mitondra fanitsiana tsikelikely.

Momba ilay kianja antsoina hoe : « colisée », izay naorina ao Anatirova kosa, dia nanambara ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa hisy ny fanapahan-kevitra horaisina, aorian’ny fakan-kevitra, saingy miankina tanteraka amin’ireo mpisehatra izany. Raha tsiahivina, dia nampiady hevitra sy niteraka fahasorenana teo amin’ny Malagasy maro ny nananganana ity fotodrafitrasa ity tao anatin’ny toerana manan-tantara sy manana ny hasiny ara-kolontsaina. Tsy misy ifandraisany amin’ny tantaram-pirenena malagasy mantsy izy ity no sady nosokajian’ireo taranak’andriana sy mpandala ny fomban-drazana ho fady. Hivoaka avy amin’ny fakan-kevitra notontosaina androany, araka izany, ny fanapahan-kevitra momba izay hanaovana ity fotodrafitrasa ity.

Lire la suite

Articles Similaires