• Cours de change
  • 5098.36 AR
  • |
  • $4467.72 AR
Copyright Image : © Siteny Randrianasoloniaiko
Image
Vaovao

Fanarenana an’i Madagasikara : hanome famatsiam-bola 72 tapitrisa dolara i Rosia

13/11/2025 15:24 © Moov.Mg

Isan’ny anton-dian’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, tany Rosia, ny fitadiavana fiaraha-miasa momba ny olan’ny angovo eto Madagasikara. Nahitam-bokany ny dia, araka ny tatitra nataony androany, satria vonona ny hanampy an’i Madagasikara i Rosia.

Nanatanteraka ny fanambaram-panany teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana eny Ambohidahy, androany 13 novambra 2025, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. Nazavainy, nandritra izany, fa olon’ny lalàna izy sady olona mpanao lalàna, ka tokony ho maodely, satria ny lalàmpanorenana no mamaritra ny momba ny tokony hanatanterahan’ireo tomponandraiki-panjakana io fanambaram-pananana io. Nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, no nanaovany tatitra fohy ihany koa, momba ny vokatry ny diany tany Rosia, izay naharitra 5 andro, ary nifarana ny 10 novambra 2025 teo.

Tohana ho fanarenana an’i Madagasikara

Tamin’izany no nanambarany fa hanome famatsiam-bola 72 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara i Rosia. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, dia nisy vola 72 tapitrisa dôlara notrosaintsika tamin’ny firenena rosianina ary efa nampiasain’ny fitondrana teo aloha ny 15 tapitrisa dôlara tamin’izany. Tokony hiverina amin’ny rosianina io vola io, fa mbola tavela ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) ary tokony hiala ao amin’ny BFM amin’ny faran’ny volana novambra ho avy io. Rehefa nanapa-kevitra ny hanome io vola io hanampiana an’i Madagasikara i Rosia, dia mbola mandalo antanatohatra aloha, toy ny fandefasana izany eo anivon'ny parlemanta rosianina mba handalo fifidianana. Tsy handalo izany dingana izany intsony anefa ny fanapahan-kevitr’i Rosia, taorian’ny fifampiresahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena tamin’ny tomponandraikitra tany an-toerana, fa efa homena an’i Madagasikara io vola io.

Famahana ny olan’ny angovo

Hitondra vahaolana momba ny olan’ny angovo sy ny fahatapahan-jiro eto amintsika ihany koa i Rosia, amin’ny alalan’ny fividianana solika sy menaka mavesatra ho an’ny JIRAMA, araka ny tatitra nataon-dRandrianasoloniaiko Siteny hatrany. Notsindriany fa manam-pahaizana manokana amin’ny famahana ny olan’ny angovo i Rosia, indrindra eo amin’ny vahaolana fohy ezaka. Na i Eoropa aza miankina aminy, hoy izy. Tsy midika ho fandravana ny fifanarahana efa natao tamin-dry zareo Frantsay anefa ny fiarahana miasa amin’i Rosia, araka ny nambarany, fa hotohizana ihany izany, satria misokatra amin’ny firenena rehetra i Madagasikara. Notsiahiviny moa fa mahatratra hatramin’ny 300 tapitrisa dôlara no vola very ho an’i Madagasikara, eo amin’io sehatry ny angovo io, isan-taona.

Lire la suite

Articles Similaires