• Cours de change
  • 5100.51 AR
  • |
  • $4471.09 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Fifamoivoizana : Fandaminana vaovao hanalefahana ny fitohanana mivoaka sy miditra an’Antananarivo

13/11/2025 13:56 © Moov

Nametraka paikady hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’ireo lalana mivoaka sy miditra an’Antananarivo ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena.

Nampitomboina ny Polisy miasa

Mampiferinaina ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina hatrany ny fitohanana lavareny, indrindra amin’ny ora fidirana sy firavan’ny mpiasa. Manoloana izany dia nandray ny fepetra mba hahafahana manalefaka kokoa izany ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. Nojerena manokana tamin’izany eny amin’ireo kihon-dalana lehibe mivoaka sy miditra an’Antananarivo, ka isan’izany ny teny Analamahitsy.
Raha ny fanazavana dia nampitomboina ny isan’ny Polisy miantsehatra eny an-kianja. Hita ao avokoa ny avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano, ny Kaomisaria Boriboritany faha-08 Analamahitsy, ary ny avy amin’ny Polisy misahana ny fifamoivoizana (Compagnie Urbaine de la Circulation – CUC). Izany no natao mba ahitana ny mety hiteraka fitohanana ka hahafahana mandray vahaolana haingana. Ho jeren’ny Jeren’ny Polisimpirenena manokana avokoa ireo lalana fidirana eto Antananarivo renivohitra dia ny eny Anosizato, Ampasika, Ankadimbahoaka, Ampasampito, ary ny eo Sabotsy Namehana sy Analamahitsy.

Fampiharana ny « doublage »

Isan’ny vahaolana nahomby ny « doublage » ho an’ny eny Ampasika sy ny eny Anosizato rehefa maraina sy hariva. Ity fomba iray ity moa dia natao hanalalahana ny lalana ka hahafahan’ny fiara rehetra avy amin’ny toerana iray mandeha mandritra ny fotoana maharitra ; ka mifandimby toy izany izy ireo. Ho ampiharina eny Analamahitsy ihany koa izany arakaraka ny zava-misy eny an-kianja, hoy ny fanazavana. Hanomboka eo amin’ny Galana Analamahitsy mankany amin’ny Rond-point Andranobevava, ary eo amin’ny Shell Ambohitrarahaba mankany amin’ny SMMEC Ambohitrarahaba raha ho any an-drenivohitra, izany. Araka izany, mila efa miomana amin’izany avokoa ny mpampiasa iny lalana iny mba hialana amin’ny mety ho fahatarana.
Raha tsiahivina moa dia tsy manao fanakanana intsony ny Polisim-pirenena eny amin’ny lalana, nanomboka ny 5 novambra teo, fa mandrindra ny fifamoivoizana ihany.

Lire la suite

Articles Similaires