• Cours de change
  • 5098.36 AR
  • |
  • $4467.72 AR
Copyright Image : © Velleminfroy
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sakafo maraina : inona no zava-pisotro tsara sotroina ?

12/11/2025 16:10 © Moov.Mg

Ny sakafo maraina no sakafo manan-danja indrindra ao anatin’ny tontolo andro, araky ny hevitry ny ankamaroan’ny manam-pahaizana. Mba hanombohana tsara ny andro sy mba hampavitrika tsara mandritra ny tontolo andro dia maro amintsika no misafidy misotro kafe, dite, « cacao » na koa ranom-boankazo. Tsy voatery ireny karazana zava-pisotro ireny nefa no tsara sotroina rehefa misakafo maraina.

Inona no mampanan-danja ny sakafo maraina ?

Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinana sakafo maraina. Anisan’izany ny fandrindrana ny fahazotoan-komana anatin’ny tontolo andro, ny fanatsara ny fifantohana, ny fitadidiana ary ny fiasan’ny saina amin’ny ankapobeny.
Ny sakafo maraina voalanjalanja dia tokony ahitana « protéines », « glucides » sy « graisses saines » mba hitazoman’ny vatana hery mandritra ny maraina tontolo. Tsara ihany koa ny mihinana sakafo be fibra, toy ny voankazo sy ny « grains entiers », rehefa maraina.
Ny sakafo matavy sy be « graisses saturées », toy ny mofomamy sy ny « viennoiseries » dia tsy dia mety. Azo hoanina ihany izy ireny tsindraindray fa tsy tokony atao isan’andro. Azo atao ohatra ny mihinana vary sosoa sy vokatra misy « protéines », toy ny atody, kitoza tsy matavy… Arahana voankazo iray izany.

Inona zava-pisotro tsara sotroina vao maraina arak’ireo manampahaizana ?

Araky ny hevitry ny « nutritionnistes » maro dia ny rano no zava-pisotro tsara sotroina indrindra rehefa maraina. Mety eritreretina ho zavatra tsotra sy tsy mila ampahatsiahivina izany nefa tsikaritra fa mbola vitsy ny olona misotro rano vao maraina.
Rehefa vao mifoha maraina iny nefa dia « déshydraté » ny vatana satria nanary rano betsaka tanatin’ny tontolo alina. Ny fisotroana rano vao maraina arak’izany dia manampy ny vatana ho « réhydrater » na hahazo rano indray ary manampy amin’ny fanatsarana ny fiasan’ny saina sy ny vatana.
Ilay vao mifoha vao maraina, tsy mbola nisakafo iny no misotro rany 1 vera. Avy eo rehefa misakafo maraina dia afaka misotro kafe, dite, ranom-boankazo… Izany hoe rano aloha no zava-pisotro voalohany tokony sotroina amin’ny maraina izay vao misotro zavatra hafa.

Lire la suite

Articles Similaires