• Cours de change
  • 5102.67 AR
  • |
  • $4475.1 AR
Copyright Image : © Mnp
Image
Vaovao

Faritra Boeny sy Sofia : Havaozina ny drafim-panajariana sy Fitantanana (PAG) ny faritra arovana

12/11/2025 11:19 © Moov

Notanterahina tao Mahajanga, omaly 11 novambra ny fakan-kevitra nasionaly, mikasika ny fanavaozana ny Drafi-panajariana sy fitantanana (PAG) ho an’ny Faritra Arovana dimy any amin’ny faritra Boeny sy Sofia.

Hanamafisana ny fitantanana ny Faritra Arovana

Mitondra anjara birika betsaka eo amin’ny fampandrosoana isam-paritra ny faritra arovana. Ho fanamafisana ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra azy ireny eto Madagasikara dia nikarakara fakan-kevitra nasionaly tao Mahajanga ny Madagascar National Parks (MNP). Ity fihaonana ity dia natao mba hanavaozana ny Drafitra entina hanajariana sy hiarovana ireny toerana ireny ho an’ny taona 2025 hatramin’ny 2029.
Faritra dimy no tafiditra ao anatin’izany dia ny Parc National Sahamalaza (Analalava), ny Réserve Spéciale de Marotandrano (Mandritsara), ny Parc National Ankarafantsika, ny Parc National Baie de Baly ary ny Parc National Tsingy de Namoroka.
Nitarika ny fotoana tamin’izany ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Boeny, izay nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny sampan-draharaham-panjakana, ny teknisianina momba ny tontolo iainana ary ireo vondrom-piarahamonina manodidina ireo faritra arovana. Izy ireo izay samy nandray anjara tamin’ity fihaonana ity.

Dinika sy fandraisana anjara ho an’ny drafitra 2025–2029

Nampahafantarin’ireo Tale isam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (DREDD) avy any Sofia sy Boeny ny lafiny ara-teknika ao anatin’ny drafitra vaovao. Nampirisika manokana ny fandraisana anjaran’ny fiarahamonina amin’ny fiarovana ny zava-boahary izy ireo. Ao anatin’ity drafitra vaovao ity dia nohamafisiana fa mila ny finiavan’ny rehetra ny fiarovana ny harena voajanahary. Nodinihina nandritra ny fivoriana ny fomba hanamafisana ny fiarovana ny tontolo iainana, ny ady amin’ny fandripahana ala sy faneriterena ara-tontolo iainana, ary ny fampivoarana asa maharitra ho an’ny mponina manodidina.
Ho voarakitra ao anatin’ny tatitra manokana (PV) avokoa ireo soso-kevitra rehetra nipoitra, ary halefa any amin’ny MNP mba hampidirina ao anatin’ny drafitra farany, izay hatolotra aty Antananarivo ho ampiasaina amin’ny fomba ofisialy.

Lire la suite

Articles Similaires