• Cours de change
  • 5115.92 AR
  • |
  • $4481.24 AR
Copyright Image : © Journaldudimanche
Image
Vaovao

Raharaha Mamy Ravatomanga : Naato tamin'ny asany ny Mpitsara iray teo anivon'ny PAC

07/11/2025 09:47 © Moov

Mahakasika ny Ministera sy ny Sampandraharaham-pirenena ny fanadiovana, amin'izao Fitondrana "fanavaozana" izao. Omaly 6 novambra, nisy tompon'andraikitra ambony noesorina tamin'ny toerany tao amin'ny Pôle anti-corruption (PAC) Antananarivo.

Naato tamin'ny asany ny Mpitsara Elysée RASOAHANTA, Lehiben’ny Fampanoavana azy eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga faharoa ao amin’ny PAC Antananarivo.

Fampiharana sazy

Nisy ny fivoriana notanterahin’ny Komity Fanaraha-maso sy Fanombanana (CSE) ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny Kolikoly, izay ahitana ny Minisiteran’ny Fitsarana, ireo Lehiben’ny Fitsarana Tampony, ny Pôle Anti-Corruption (PAC), ny SAMIFIN, ny ARAI ary ny BIANCO, ka tamin'izany indrindra no nandinihana manokana mikasika ny mpitsara Elysée Rasoahanta.
Izany fampitoana izany dia noho ny fanambarana ofisialy izay nataony, nilazany fa tsy misy fanenjehana atao amin’ny mpandraharaha Maminiaina Ravatomanga. Tsy azo lavina nefa fa maro ireo fitoriana sy fitarainana voaray ara-dalàna ao amin’ny PAC Antananarivo momba io mpandraharaha io voalaza anarana io. "Ny fanambarana toy izany dia mampiseho fahadisoana lehibe, manitsakitsaka mivantana ny fitsipika sy fepetra takian’ny deontolojia amin’ny asan’ny maha Mpitsara", hoy ny avy eo anivon'ny Ministeran'ny Fitsarana.
Mazava araka izany fa misy ny fanenjehana an'i Mamy Ravatomanga, tarihan'ny Fitsarana Malagasy. Vao tamin'ny alarobia 5 novambra lasa teo no nanamafy ny Ministeran'ny Fitsarana fa ara-dalàna sady azo ampiharina ny Didy fampisamborana iraisam-pirenena. "Ny Ministeran'ny Fitsarana dia mamerina indray etoana fa io mpandraharaha io dia voatondron'ireo fitoriana, fanenjeana ary fitarainana maro mipetraka eo anivon'ny rafi-pitsarana malagasy, maorisianina, frantsay ary amerikana".

Fihazakazahan'ny raharaha any Maorisy

Mafana ihany koa ny ao Maorisy, mikasika ny raharaha Ravatomanga. Ny alarobia 5 sy ny alakamisy 6 novambra, niatrika fanadihadihana tao amin'ny ivotoerana misy ny Financial Crimes Commission (FCC). Tamin'io omaly io, niatrika fampanoavana tany amin'ny Tribonalin'i Port-Louis ny tenany. Tamin'izany indrindra no nanapahan'ny Mpitsara hevitra fa ho tazomina amina "Cellule policière" ny tenany mandra-pivoakan'ny didim-pitsarana. Saika tsy ho averina tsaboina tany amin'ilay hopitaly nisy azy ny tenany, ka nalain'ny fiara tsy matahodalana fitaratra mainty. Teny an-dalana nefa dia nivily lalana ilay fiara ka nihazo hopitaly hafa, ary nipetraka tamina "fauteuil roulant" i Mamy Ravatomanga niditra tamin'izany toeram-pitsaboana izany.
Araka ny loharanom-baovao avy amin'ireo mpanao gazety maorisiana, mbola ho henoin'ireo Mpitsara ny dokotera "cardiologue" mitsabo an'i Mamy Ravatomanga. Izany no antony hihatoan'ny fanadihadihana ny voapanga. Andrasana amin'ny herinandro ho avy ny tohin'ny raharaha, satria voalaza fa ny 10 novambra ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana.

Lire la suite

Articles Similaires