• Cours de change
  • 5115.92 AR
  • |
  • $4481.24 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Fanabeazam-Pirenena
Image
Vaovao

Fampianarana : Voavaha ny olan’ireo mpampianatra, hiverina hianatra ny mpianatra

07/11/2025 07:54 © Moov

Évaluer mes acquis, mesurer mes compétences, et surtout pour m'orienter à explorer ma forte motivation dans les recherches académiques.

Efa herinandro maromaro no niato ny fampianarana teny anivon’ireo sekolim-panjakana. Nanararaotra nanao fitakiana mantsy ireo mpampianatra nandritra ny raharaha politika nafana teto amin’ny firenena. Tsy nijanona ny hetsika na nahazo mpitondra vaovao aza, ka tsy nisy nampianatra ny ankamaroan’ny mpampianatra. Rehefa voatendry ireo mpikamban’ny Governemanta, nanome baiko ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena vaovao ny amin’ny fiverenana an-tsekoly ny alatsinainy 3 novambra lasa teo. Niveri-maina nefa ireo mpianatra satria mbola tsy nanaiky nampianatra ireo mpampianatra. Nisy mihitsy moa ny fitokonana notanterahin’ireo mpianatry ny LMA sy ny LJJR manoloana ny Ministeran’ny Fanabeazampirenena Anosy.

Fifanarahana vita sonia

Nihenjan-droa ny tady teo amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ireo mpampianatra. Izany no antony nanohizan’ireo mpampianatra ny hetsika, na dia nitaky ny hiverenan’ny fampianarana aza ny Ministera sy ireo mpianatra.
Nody ventiny ny rano natsakaina, ka nosoniavina omaly ny « Protocole d’accord » mirakitra ireo fifanarahana mifanandrify amin’ny fitakian’ireo mpampianatra. Teboka maromaro no voarakitr'izany fifanarahana izany : fampidirana mpiasam-panjakana ireo nahavita fianarana avy amin'ny ENS, ireo nahavita fiofanana avy amin'ny CFPRP, ireo mpampianatra FRAM; ny "intégration systématique" ho an'ireo mpiasa nahavita 6 taona; ny fampiakarana ny "indemnité de craie" sy ny "indemnité de logement"...
Nanao sonia moa ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Dr HANITRINIAINA Elis Karena sy ireo solotenan'ny sendika ahitana ny Vondron'ny Mpanabe Mijoro (VMM), ny Mpanabe Manova Ifotony (MMI), ny avy amin'ny École Normale Supérieure (ENS), ny FRAM... Noho izany, azo antoka fa miroso mankany amin'ny fanomezan-danja ny fampianarana indray i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires