• Cours de change
  • 5115.92 AR
  • |
  • $4481.24 AR
Copyright Image : © Drcc Atsimo Atsinanana
Image
Vaovao

Fanatsarana ny lalàna mifehy ny serasera : Ny eny ifotony no hanome ny tolo-kevitra

06/11/2025 15:51 © Moov.Mg

Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy androany 6 novambra 2025 ny fakan-kevitra ho fanatsarana ny lalàna mifehy ny serasera amin'ny haino vaky jery, sy ny fandinihana ny volavolan-dalana mifehy ny zo hisitraka torohay (LAICP). Ireo voakasik’izany rehetra, any amin’ny Faritra, no nisantatra ity dingana fanatsarana ny tontolon’ny serasera eto Madagasikara ity, androany.

Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety

Maro ireo tsy afa-po amin’ny lalàna laharana faha-2016-029 tamin'ny 24 aogositra 2016, izay nahitsy sy nasiam-panovana tamin'ny lalàna laharana faha-2020-006 tamin'ny 1 septambra 2020, mikasika ny serasera amin'ny haino vaky jery. Etsy an-daniny, iankinan’ny fisitrahan’ny olom-pirenena ireo vaovao tena marina sy mangarahara, ary hahafahana miady amin’ny kolikoly, ny fananana lalàna mifehy ny torohevitra sy ny antontan-kevitra ary ny angom-baovao misokatra ho an’ny daholobe. Noho izany indrindra no antony anatanterahana izao fakan-kevitra izao, izay misokatra amin’ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny serasera sy ny haino vaky jery, tsy misy anavahana.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ôfisialy, nampitain-davitra avy eto Antananarivo, ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa Mandrindrarivony. Isan’ny nambarany, nandritra ny lahateniny, fa antoka amin’ny hisian'ny tena fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara sy amin’ny fisokafan'ireo loharanom-baovao mba hahafahan’ny olom-pirenena misitraka ny zony, izao dingana fakan-kevitra izao.

Hevitra avy eny ifotony

Momba ny lalàna mifehy ny serasera amin'ny haino vaky jery manokana, dia nilaza ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa tsy ny lalàna iray manontolo akory no hovaina, fa misy kosa ireo andininy sasantsasany izay tokony hojerena manokana. Isan’izany ny lamandy izay aloan’ny mpanao gazety voasazy vokatry ny heloka amin’ny asa fanaovan-gazety (délit de presse). Eo ihany koa ny fanitsiana takian’ny maro, momba ny fifidianana ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety. Tsy hanao baiko midina momba izany fanovana izany anefa ny ministera, fa miainga avy any ifotony ny hevitra, araka ny fanazavana. Araka izany, ny mikarakara ny fakan-kevitra sy ny fampivondronana ireo hevitra mivoaka no anjara asan’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, hoy i Gascar Fenosoa.

Tanjona ny hampidirana izany tolo-kevitra izany hodinihin’ireo parlemantera mandritra izao fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimiera roa tonta izao, mba hisitraka ny lalàna vaovao ireo mpisehatry ny serasera, amin’ny taona ho avy. Raha efa nahatanteraka ny azy ireo mpisehatra momba ny serasera any amin’ny Faritra, dia rahampitso 7 novambra kosa no hanatontosana ny an’ny eto Antananarivo. Eny eny Nanisana no hatao ny fakan-kevitra ho fanatsarana ny lalàna mifehy ny serasera ary ao amin'ny Tranombokimpirenena Anosy kosa no hanatanterahana ny fakan-kevitra momba ny volavolan-dalàna hifehy ny zo hisitraka torohay.

Lire la suite

Articles Similaires