• Cours de change
  • 5115.92 AR
  • |
  • $4481.24 AR
Copyright Image : © Min Tourisme
Image
Vaovao

Asa ho an'ny tanora : Miofana mikasika ny asa tanana ireo tanora avy amin'ny Akanin'ny Marenina

06/11/2025 14:45 © Moov

Tsy diso anjara amin'ny fanomanana arak'asa ireo tanoran'ny Akanin'ny Marenina (AKAMA). Manohana azy ireo ny Ministeran'ny Fizahantany ka manolotra fiofanana maimaimpoana mikasika ny asa tanana.

Tafiditra ao anatin'ny andraikitry ny Ministeran'ny Fizahantany sy ny asa tanana ny fampiroboroboana ireo asa tanana vita Malagasy. Tsy ireo efa matihanina ihany no tohanana, fa eo ihany koa ireo tanora vao misandratra mety hahita vokatsoa amin'izany sehatra izany.

Asa fivelomana

Efa fanomezana azsa ny tanora ny fanolorana fiofanana toy izao. Ho an'ireo tanora avy amin'ny AKAMA, asa tanana vita amin'ny rofia no ianarana, mandritra ny roa herinandro. Karazana haingo ho an'ny vehivavy sy haingon-trano no tena amboarina aimin'izany.
Atoro ireo teknika fikirakirana rofia sy ny fenitra mifanaraka amin'izany ireo tanora ampiofanina ireo, mba hifanaraka amin'ny kalitao tadiavin'ireo mpanjifa ny entana. Misy ihany koa ny fenitra takian'ny sehatra iraisam-pirenena. Tanjona araka izany ny hahafehezan'ireo tanora asa tanana, mba hanamora ny fidiran'izy ireo eo amin'ny sehatry ny asa.
Miara-miasa amin'ny CENAM sy ny orinasa Lenka amin'ity fampiofanana ity. Ireo tanora mahazo vokatra tsara sady maharaka ny fenitra ara-kalitao moa dia hiditra hiasa avy hatrany.

Asa famoronana

Na dia eo aza ny fenitra isankarazany tokony arahina, amporisihana ireo tanora miofana mba ho tia karokaroka. Hanintonana mpanjifa mantsy ireo vokatra ho amidy, ka hahazo mpividy bebe kokoa ireo manana entana miavaka ny bikany : misy ohatra ireo mampiady loko isan-karazany na mampiasa akora fanampiny toy ny akorandriaka. Miha-marobe rahateo ireo mpisehatra amin'ny asa tanana ka ny kalitao sy ny endriky ny famoronana no anisan'ny antoky ny fahombiazana.

Lire la suite

Articles Similaires