• Cours de change
  • 5121.46 AR
  • |
  • $4483.75 AR
Copyright Image : © Santé Magazine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mahatsapa mangatsia-dava : inona no mety ho antony ?

05/11/2025 15:34 © Moov.Mg

Ny ankamaroantsika dia mahafantatra olona mangatsia-dava. Izany hoe, manao akanjo mafana na mitaraina ho mangatsiaka foana na dia mafana aza ny andro. Maro ireo antony mety mahatonga ny olona iray ho mahatsapa mangatsia-dava. Andeha ho resahana eto ary ny mikasik’izany.

Mangatsia-dava : ireo antony ara-batana sy ara-medikaly

Maro ireo antony mety mahatonga ny olona iray ahatsapa-tena mangatsia-dava. Anisan’izay ireo antony ara-batana sy ara-medikaly, toy ny :
-Tsy fikorian’ny rà ara-dalàna. Rehefa tsy mikoriana tsara ny rà dia lasa tsy ampy ny hafanana entiny eny amin’ireo tendron’ny rantsam-batana (tanana sy tongotra) ;
-Tsy fahampiana rà (anémie) avy amin’ny tsy fahampiana vy (fer) ka mahatonga ny tsy fahampian’ny « oxygène » entin’ny rà ;
-« Hypothyroïdie ». Ny tsy fahampian’ny famokarana hormonina « thyroïdiennes » dia mampiadana ny fiasan’ny « métabolisme » ka lasa mampihena ny famokarana hafanan’ny vatana ;
-Tsy fahampian’ny tahan’ny siramamy anaty rà na « hypoglycémie ». Rehefa ambany loatra ny tahan’ny siramamy anaty rà, izay matetika vokatry ny diabeta, dia lasa misy fiantraikany amin’ny fahatsapan’ny vatana hatsiaka ;
-« Maladie de Raynaud » izay olan’ny fikorian’ny rà izay mahatonga fahatsapana hatsiaka eny amin’ny tendron’ny rantsam-batana.

Ireo antony avy amin’ny fahazaram-piainana

Anisan’ireo antony mety mahatonga ny olona iray ho lasa mahatsapa mangatsia-dava ihany koa ny fahazaram-piainana sasany, toy ny :
-Ny tsy fahampiana fanetsiketsehana na fampiasana ny vatana. Lasa mihena ny « masse musculaire » sy ny famokaran’ny vatana hafanana ;
-Tebiteby sy rarintsaina izay mitarika famokarana « adrénaline » izay manatery ireo lalandrà amin’ny tendron’ny rantsam-batana ;
-Fisotroana toaka. Ny toaka dia mampihitatra anatin’ny fotoana voafetra ny lalandrà ka mahatonga fahatsapana mafana. Raha ny marina nefa dia mampihena ny hafanan’ny vatana amin’ny ankapobeny izy io ;
-Tsy fahampiana rano. Ny « déshydratation » dia manamafy ny fahatsapana mangatsiaka, indrindra ny tsapa eo amin’ireo tendron’ny rantsam-batana.

Oviana no tokony hanantona mpitsabo ?

Ilaina ny manantona mpitsabo raha toa ka maharitra loatra io fahatsapana hatsiaka io na hoe tsy mety mahazo hafanana na efa manao mafana tsara aza. Ankoatra izay dia mila mandeha mpitsabo ihany koa raha toa ka misy soritr’aretina hafa miseho toy ny hoe reraka, mihamatavy ho azy, maina ny hoditra… Izany dia mba hamantarana ny anton’ity fahatsapana mangatsia-dava ity sy hahazoana ny fitsaboana sahaza izany.

Lire la suite

Articles Similaires