• Cours de change
  • 5130.94 AR
  • |
  • $4482.15 AR
Copyright Image : © Santé Magazine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo fahazarana manampy hisorohana ny homamiadana

05/11/2025 11:13 © Moov.Mg

Fanirian’ny maro ny hiaina sy ho tratra antitra lavitry ny areti-mandoza toy ny homamiadana. Tanjona azo tratrarina tsara izany ho ankamaroan’ny olona rehefa manana fomba fiaina ara-pahasalamana. Araka ny vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaiza dia misy ireo fahazarana sy fomba fiaina manampy hisorohana ny homamiadana. Santionany amin’izany ireto zaraina manaraka ireto.

Mihinana sakafo ara-pahasalamana ho fiarovana amin’ny homamiadana

Ny mpitsabo dia manentana hatrany ny rehetra mba ho sakafo ara-pahasalamana sy manankarena otrikaina no atao laharam-pahamehana amin’ny andavanandrom-piainana. Ny voankazo sy ny legioma no tena atao betsaka noho izy ireo mitondra « antioxydants » izay miady amin’ny fahanterana aloha loatra an’ireo sela sy miaro ny lalandrà. Ny « céréales complètes », ny voamaina ary ny proteina mahia (trondro, akoho amam-borona) dia ilaina ihany koa noho izy ireo mandrindra mampihena ny « inflammation » sy manatsara ny fandevonan-kanina. Fadiana araka izay azo atao ny sakafo voahodina noho izy ireo be « graisses saturées » izay mampitombo ny « risques » hahavoan’ny homamiadana.

Fampihetsiketsehana ny vatana

Ny fampihetsiketsehana ny vatana na fanaovana fanatanjahantena matetika dia isan’ireo fomba lehibe hisorohana ny aretina, ka anisan’izany ny homamiadana. Voalazan’ireo manam-pahaizana fa mila manao « exercices physiques » isan’andro mandritra ny 30 minitra fara fahakeliny mba hitandrovana ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina. Anisan’ireo fanazaran-tena azo atao ohatra ny milomano, mandeha tongotra, mitaingina bisikileta… Maro ny vokatsoa entin’izy ireny : mandrisika ny « métabolisme », manatsara ny fikorian’ny rà, manamafy ny hozatra sy ny taolana, mampihena ny rarintsaina sy ny « inflammation ».

Torimaso ampy sy tsara kalitao

Tena ilaina ny matory mandritra ny adiny 7 hatramin’ny 9 ora isak’alina mba hahafahan’ny vatana mihavao sy hamerana ireo « inflammations chroniques » izay isan’ireo mety mitarika aretin’ny fo sy ny lalandrà ary ny homamiadana sasany. Tsara arak’izany ny mametraka fahazaran’ny torimaso tsy miovaova. Fadiana ny « écrans » rehefa alohan’ny hatory, ezahana atao milamina sy tsy manakorontana ny torimaso ny toerana hatoriana.

Fadiana ireo fihetsika sy fahazarana mety hankarary

Maro ihany koa ireo fihetsika sy fahazarana mety hankarary na hoe « à risque » mila hatsahatra mba hisorohana ny homamiadana. Anisan’ireo mila hajanona ary ny fifohana sigara sy ny fisotroana toaka be loatra, ny fihinanana siramamy sy ny fisotroana zava-pisotro mamy loatra. Tandremana ihany koa ny lanja mba tsy hatavy loatra mba hamerana ny « risques » hahazoana areti-mitaiza.

Lire la suite

Articles Similaires