• Cours de change
  • 5130.94 AR
  • |
  • $4482.15 AR
Copyright Image : © Apmf
Image
Vaovao

Fari-dranomasin’i Mahajanga : Tafakatra ho 14 ny isan’ireo razana hita, dobo an-dranomasina

04/11/2025 15:56 © Moov.Mg

Tafakatra ho 14 ny isan’ireo razana dobo an-dranomasina, hita tany amin’ny fari-dranomasin’i Mahajanga, araka ny fampitam-baovao farany voaray androany antoandro. Mbola eo am-panaovana ny fanadihadiana momba izao tranga izao ireo tomponandraikitra voakasika.

Razana hita tany Katsepy

Nanomboka omaly antoandro no nahitana razana nitsingevana tany amin’ny Faritra Boeny. Tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro, omaly alatsinainy 3 novambra 2025, no nahazo fanairana ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) any Mahajanga, fa nahitana razana ny teny amin’ny sisin-dranomasin’ny fokontany Ambanjabe Antrema, kaominina ambanivohitra Katsepy, Distrikan’i Mitsinjo. Efa tsy nisy nahafantarana azy ireo intsony, satria efa simba ny razana.

Rehefa naheno ny fisian’ireo razana miisa 9 hita voalohany ny Talem-paritry ny APMF ao Boeny, dia niantso ny Centre de Surveillance de Pêches (CSP) mba hiara-hamonjy ny toerana voalaza fa nahitana ireo razana. Nanome solika 1.000L ny APMF hanatontosana izany ary ny CSP kosa dia nanome ny sambo Atsantsa sy ny tantsambo hanamory. Ora iray taorian'ny niaingan’ireo mpamonjy voina dia nahita razana iray nitsinkafona izy ireo, ka tafakatra 10 ny razana hita omaly.

Pasipaoro somalianina

Hatramin’ny androany maraina dia mbola nisy hatrany ny razana dobo an-drano hita tany amin’ny fari-dranomasin’i Mahajanga, ka tafakatra ho 14 isa izany, araka ny fampitam-baovao farany. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia tombanana ho efa roa na telo andro no naha-dobo an-drano azy ireo. Ny roa tamin’ireo razana moa dia nahitana pasipaoro izay nahafahana namantatra fa tera-tany somalianina izy ireo. Araka ny fantatra dia lehilahy ny 7 tamin’ireo razana ary vehivavy ny 7.
Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ankehitriny, fa hatreto aloha dia mbola tsy fantatra izay zava-nitranga marina, ka nahatonga ireto olona ireto ho dobo an-drano.

Lire la suite

Articles Similaires