Tontolo iainana : Tanteraka ny dingana voalohany ho fanokafana ny Réserves de Biosphère Mantadia
Nomarihina omaly 3 novambra 2025 ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tahirin-javaboahary (Réserves de Biosphère). Nandritra izany no nanatanterahana ny dingana voalohany amin’ny fanokafana amin’ny fomba ôfisialy ny « Réserves de Biosphère Mantadia », izay tahirin-javaboahary vaovao, ao Andasibe.
Andro iraisam-pirenena ho an’ny Réserves de Biosphère
Niavaka sy manan-danja lehibe ho an’i Madagasikara ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tahirin-javaboahary tamin’ity taona 2025 ity. Nanamarika izany mantsy ny nahatafidiran’ny tahirin-javaboaharin’i Mantadia sy Tsimembo ho ao anatin’ny tambazotra iraisam-pirenena MAB (Man and Biosphère) an’ny UNESCO. Firenena miisa 142 no mivondrona ao anatin’io tambajotra izay ahitana faritra miisa 784.
Tao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tahirin-javaboahary, omaly, no nanatontosana ny dingana voalohany amin’ny fanokafana amin’ny fomba ôfisialy, teo anivon’ny kaominina Andasibe, Faritra Alaotra Mangoro, ny tahirin-javaboahary Mantadia. Nandritra izany no nanatanterahana ny fampahafantarana sy fanentanana ho an’ireo voakasika rehetra, ny momba ity tahirin-javaboahary vaovao ity. Efa tafapetraka, ankoatra izay, ny drafitrasa fohy ezaka sy lavitr’ezaka ho fitantanana maharitra izany faritra arovana izany.
Zava-boahary sy fampandrosoana eny ifotony
Raha tsiahivina dia miisa 7 ankehitriny ny tahirin-javaboahary ananan’i Madagasikara, nahazo fankatoavana avy amin’ny UNESCO, dia Mananara Nord, Sahamalaza Iles Radama, « Littoral de Toliara », Belo-sur-Mer-Kirindy-Mite, Tsimanampesotse Nosy Ve Androka, ary izao niampy an’i Mantadia sy Tsimembo izao. Nahafahana nahazo ireto tahirin-javaboahary vaovao ireto ny fiaraha-miasa teo amin’ny UNESCO, ny Comité National MAB sy ny Ecovision Village, niaraka tamin’ny fanohanana avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa. Nandray anjara tamin’izany ihany koa ireo mpitondra eny ifotony sy ny Vondron’olona Ifotony, izay nanampy tamin’ny fanangonana antontan-kevitra sy ny dingana rehetra nahazoana ny fankatoavana.
Ny « Réserve de biosphere » moa dia faritra iray voasafidin’ny UNESCO, izay mampifandray ny fiarovana ny zavaboary sy ny fampiasana izany ho lovainjafy, ary manome lanja ny fandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ho an’ny mponina eny ifotony.
                
                
                
                
                
                
                
    

