• Cours de change
  • 5157.31 AR
  • |
  • $4487.78 AR
Copyright Image : © Aufeminin
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo sakafo mila fadiana raha te ahita tory tsara amin’ny alina

01/11/2025 15:13 © Moov.Mg

Isan’ireo fototra lehibe hitandrovana ny fahasalamana ny torimaso. Mora voakorontana nefa izy io matetika noho ny fahazarana tsy tandrintsika amin’ny fiainana andavanandro. Anisan’ireo zavatra misy fiantraikany amin’ny kalitaon’ny torimaso ny sakafo hoanina, indrindra ny amin’ny hariva. Raha te ahita tory tsara ary amin’ny alina dia tsara ny mifady ireo sakafo sy zava-pisotro manaraka ireto rehefa hariva.

Ireo sakafo sy zava-pisotro manaitaitra

Ny sakafo sy zava-pisotro manaitaitra na ireo atao hoe « excitants » dia isan’ireo tena manakorontana ny fahitana tory sy ny kalitaon’ny torimaso. Fadiana arak’izany ny mihinana na misotro azy ireny rehefa hariva. Anisan’ireo « excitants » ireo ny :
-Kafe, dite, zava-pisotro manome tanjaka. Ireo zava-pisotro ireo dia mitahiry « caféine ». Ity farany dia singa manaitaitra mety mijanona ao anatin’ny vatana mandritra ny adiny 6 ora. Sady mampihemotra ny fahitan-tory izy io no mety manapatapaka ny torimaso. Tsy tokony misotro azy ireny aorian’ny 6 ora alohan’ny hatoriana.
-« Chocolat Noir ». Na dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana aza ny « chocolat noir » dia mitahiry « caféine » sy « théobromine », izay singa manaitaitra ihany koa, izy io. Rehefa ambony ny tahan’ny « cacao » anatin’ny sôkôla dia ambony ihany koa ny « stimulants » ao aminy. Amin’ny maraina noho izany no tsara hinanana azy io amin’ny fatrany antonony.

Ny toaka

Mamitaka ny toaka ho an’ireo mpisotro azy io. Amin’ny voalohany izy io dia mety maha rendremana te hatory sy mora mampatory noho izy manana fiasa « relaxant ». Marihana nefa fa maharatsy ny kalitaon’ny torimaso izy io amin’ny tapany faharoan’ny alina. Izany hoe ataony mora mahita tory fa avy lasa tapa-tory na ratsy torimaso. Ankoatra izay dia mandrisika ny « relâchement musculaire » ny toaka ka mety vao maika mampiesona sy mampanao « apnées du sommeil ».

Ny sakafo mavesatra

Ny sakafo hariva matsiro sy mavesatra saro-devonina dia mampiasa mafy ny taovam-pandevonan-kanina. Rehefa izany dia lasa miakatra ny hafanan’ny vatana ao anatiny ary miteraka tsy fahazoana aina izay tsy mampatory. Anisan’ireo sakafo mavesatra tsy tsara hoanina amin’ny hariva ny :
-Sakafo matavy sy be menaka, toy ny kiendiendy, « charcuterie », sakafo misy saosy… Ny menaka matavy dia maharitra sy sarotra kokoa ny mandevona azy ka mety hitarika fikorontanan’ny kibo sy ny tsinay ary haharatsy torimaso.
-Sakafo masitsiaka. Ny « épices » dia mety hampikorontana ny hafanan’ny vatana sy hampamaivay ny vavony ka hanasarotra ny fahitan-tory.
-Hena mena, toy ny hen’omby. Manankarena « protéines » izay mandrisika ny famokaran’ny vatana ny atao hoe « hormones de l’éveil » ny hena mena. Ankoatra izay dia sarotra levonina ihany koa izy ireny ka tsy tsara hoanina rehefa hariva.

Lire la suite

Articles Similaires