• Cours de change
  • 5157.31 AR
  • |
  • $4487.78 AR
Copyright Image : © Rohy
Image
Vaovao

Fanavaozana an’i Madagasikara : mitaky ny handraisan’izy ireo anjara feno ny olona manana fahasembanana

31/10/2025 16:42 © Moov.Mg

Mitaky amin’ny Fanjakana ireo olona manana fahasembanana, mba ho tafiditra ao anatin’ny rafitra vaovao sy ny lalàm-panorenana ny zo sy ny fandraisan’izy ireo anjara feno amin’ny fiainam-pirenena. Araka ny fanambarana nataon’izy ireo androany 31 ôktôbra 2025, dia tsy ho lavorary ny fanavaozana an’i Madagasikara raha tsy tanteraka izany.

Olona manana fahasembanana, olom-pirenena

Amin’izao fotoan-dehibe iatrehan’i Madagasikara fanavaozana ara-politika sy ara-drafitra izao, dia mampatsiahy ny Réseau Malgache du Handicap (RMH) fa tokony ho hita sy ho re ao anatin’ny dingana rehetra hotanterahina ny feon’ny olona manana fahasembanana. Araka ny fanamarihana nataon’ny tambajotra, dia manana fahasembanana avokoa ny 15 %-n’ny Malagasy. « Ampahany lehibe sy tsy azo sarahana amin’ny fanorenana ny firenena vaovao izy ireo », hoy ny fanambarana. Araka izany, “tsy hisy fanavaozana tena marina sy maharitra raha tsy tafiditra tanteraka amin’ny fiainana politika, sosialy ary ara-toekarena izahay,” hoy ny hafatra voarakitra ao anatin’ny Taratasy Politika navoakan’ny RMH. Nomarihin’izy ireo fa maro amin’ireo tanora manana fahasembanana no efa nitsangana sy naneho hevitra am-pahibemaso, indrindra tamin’ireny hetsiky ny olom-pirenena notarihin’ny GenZ ireny, na dia teo aza ny sakana sy ny tahotra. Porofo izany fa afaka mandray andraikitra feno eto amin’ny firenena izy ireo.

Na dia misy aza ny ezaka efa natao, dia mbola mipetraka ny olana eo amin’ny tsy fitoviana sy ny fanilikilihana, araka ny tatitra navoakan’ny RMH. Mbola maro ireo olona manana fahasembanana no tsy mahazo miditra sy mampiasa ny tolotra fototra, voailika amin’ny sehatra politika, ary iharan’ny fanavakavahana sy ny herisetra, ary indraindray tonga hatramin’ny famonoana izany, toy ny manjo ireo olona manana toe-tena varira.

Drafitra ho an’ny fanavaozana mampiaty

Ao anatin’ny Taratasy Politika navoakany dia manolotra drafitra mazava ny RMH, izay nozarainy ho ambaratonga roa. Voalohany amin’izany ny fanavaozana ny lalàmpanorenana, izay mitaky ny fankatoavana ny olona manana fahasembanana ho olom-pirenena feno manana zo mitovy amin’ny rehetra ; ny fandraràna ny fanavakavahana noho ny fahasembanana ; ny fiantohana ny fandraisana anjara amin’ny rafitra rehetra eo amin’ny Fanjakana ; ny fankatoavana ny tenin’ny tanana malagasy ho teny nasiônaly mitovy amin’ny teny malagasy sy frantsay ; ary fiarovana ny zo fototra amin’ny fanabeazana, fahasalamana, asa ary fiainana mahaleo tena.
Etsy an-daniny, nanolo-kevitra ihany koa ity tambajotran’ny olona manana fahasembanana ity momba ny hametrahana rafitra mazava sy manam-pahefana eo amin’ny sehatry ny fahasembanana, toy ny famoronana ministera manokana na « direction générale » misahana izany eo anivon’ny governemanta. Tokony hojerena, ankoatra izay, ny fampidirana ny politika fampiatiana amin’ny sehatra rehetra, ny fanatsarana ny fahafahana miditra amin’ny fotodrafitrasa, ary ny fanamafisana ny angon-drakitra sy ny fanaraha-maso ny fanavakavahana. Notsiahivin’ny RMH moa fa nankatoa ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny olona manana fahasembanana (CDPH) sy ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) i Madagasikara. Mitaky ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fametrahana politika manaja sy mampiaty ny olona manana fahasembanana izany.
Nanamafy ny filohan’ny RMH, Razafindrakoto Falihery, fa tsy vesatra amin’ny fiarahamonina ny olona manana fahasembanana, fa antoky ny fampandrosoana marina eto amin’ny firenena. “Manaitra ireo tompon’andraikitra izahay, manomboka amin’ny filohan’ny Fokontany hatrany amin’ny filohan’ny Repoblika, mba hahatsapa fa olona antoky ny fampandrosoana ny olona manana fahasembanana”, hoy izy.

Lire la suite

Articles Similaires