• Cours de change
  • 5157.31 AR
  • |
  • $4487.78 AR
Copyright Image : © Matoke Tours
Image
Vaovao

Androm-pirenena ho an’ny Varika : Nasongadina ny varibolomena, tany Ranomafana

31/10/2025 15:44 © Moov.Mg

Marihina androany 31 ôktôbra ny Androm-pirenena ho an’ny Varika taona 2025. Toerana maro manerana an’i Madagasikara no nankalazana izany, amin’ny maha-harem-pirenena tsy manam-paharoa ny varika.

Varika, biby mampiavaka an’i Madagasikara

« Iray ho an’ny varika, ho fitsinjovana ny hoavy » no lohahevitra nentina nanamarihana ity andro androany ity, araka ny voizin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Manana anjara asa lehibe amin’ny fifandanjan’ny karazanjavamananaina eto Madagasikara ny varika, ka rariny raha anokanana andro iray ho azy ireo. Ho an’ny Madagascar National Parks, izay mitantana faritra arovana maro eto Madagasikara, dia masoivoho isan’ny ahafantarana ny nosintsika indrindra ny varika. Izy ireny rahateo no isan’ny mahaliana ireo mpizahatany vahiny indrindra, izay tonga mitsidika an’i Madagasikara.

Tsara tsiahivina fa karazana biby tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ny varika, na ny gidro. Miisa 113 ny karazany, ka ny babakoto na hira (Indri indri) no karazany lehibe indrindra, izay mety hirefy hatrany amin’ny 75 sm ary hilanja hatrany amin’ny 9kg. Ny tsidy (tsitsidy) bitika, antsoina ihany koa hoe : gidrokelin’i Madame Berthe (Microcebus berthae) no karazana varika kely indrindra, satria dia 30 g monja no lanjany.

Varibolomena, ahiana ho lany tamingana

Tany Ranomafana, Distrik’Ifanadiana, dia efa nanomboka omaly, ary nitohy androany, ny fanamarihana ny Androm-pirenena natokana ho an'ny varika. Ny Centre Valbio, ny Madagascar National Parks (MNP) ary ny Kaominina Ambanivohitra Ranomafana no nikarakara ny hetsika. Nasongadina manokana, ireo karazana varika antsoina hoe : Varibolomena (Hapalemur aureus) izay tandindomin-doza. Tsy hita afa tsy amin’ny faritra manodidina an’i Ranomafana sy Andringitra ity karazana varika ity.
Maro ireo hetsika notanterahina, nandritra ireo roa andro fankalazana, toy ny Fitsidihana manokana ny Valan-javaboahary Ranomafana, ho an'ireo mponina eo an-toerana nefa tsy mbola nahita izany. Tanjona ny fanamafisana ny fifandraisan’izy ireo amin'ny ala. Omaly no afaka nisitraka izany ireo mponina. Androany kosa dia nisy ny hetsika fankalazana lehibe notanterahina tao an-tanànan'i Ranomafana, izay natomboka tamin’ny matso lehibe nandraisan’ny mpianatra anjara. Nisy ihany koa ny lalao ara-panatanjahantena « basket », ny fitsidihana tranoheva, ny fakana sary sy kilalao isan-karazany...

Tanjona lehibe tamin’ny fikarakarana izao hetsika izao ny fanamafisana ny fanentanana momba ny varika eny ifotony, ny fampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana ary ny fanamafisana ny fandraisan'anjaran'ny fiarahamonina, amin'ny fiarovana ny zava-boaary ao anatin’ny valan-javaboahary nasiônalin’i Ranomafana.

Lire la suite

Articles Similaires