Fiomanana amin'ny Fahavaratra : 'Ndao sorohana ny firodanan'ny trano !
Efa manakaiky ny fahavaratra. Tsara araka izany raha mandray fepetra mialoha mba hisorohana ny loza, na ho an'ny tena na ho an'ny manodidina.
Tsy vitsy ireo namoy ny ainy, naratra na very fananana noho ny loza samihafa mandritra ny vanim-potoam-pahavatra. Mateti-pitranga mantsy ny firodanan'ny trano na tamboho, rehefa tena mafy ny rivotra sy ny orana.
Asiana fanamboarana ny trano sy ny tamboho
Raha mahita mitriatra amin'ny trano na tamboho, tsy tokony hangatak'andro fa miroso amin'ny fanamboarana avy hatrany. Mila fantarina ny mety ho anton'ny triatra. Arakaraka ny valin'ny fizahana ataon'ireo manampahaizana mikasika ny fanamboaran-trano ny asa miandry : mety kitihina mihitsy ny fototry ny trano raha ilaina. Mialoha ny fizahana, diovina tanteraka ny trano, sady akisaka ireo fanaka lehibe, mba ho mora hita ireo faritra mitresaka sy mandomando.
Ireto misy teboka vitsivitsy fanampiny :
-Fanamafisana ny tafo mba tsy ho mora lasan'ny rivotra na hampiditra rano ao an-trano ;
-Fanamarinana ny fipetrahan'ireo "plafond" sy ireo karazan-jiro mihantona rehetra ;
-Fanamarinana ny lalan'ny rano ;
-Fijerevana ifotony ny fototry ny faritra honenena, indrindra ho an'ireo mipetraka eny amin'ny toerana avo.
Tsy azo adinoina ny fanadiovana ny manodidina. Esorina avokoa ireo lobolobo sy loto, mba hisorohana ny aretina isan-karazany, toy ny pesta.
Arodana ny trano na tamboho mampiahiahy
Raha sarotra loatra ny fanamboarana ka tsy azo vinavinaina intsony, azo atao tsara ny miroso amin'ny fandrodanana trano na tamboho. Fiarovana ny ain'ny tena sy ny manodidina rahateo izany. Tsara ny manamarika fa afaka manampy amin'ny fandrodanana ny Mpamonjy Voina. Azon'ny rehetra atao ihany koa ny mametraka fitarainana any amin'io vondrona io raha mahatsikaritra trano na tamboho mampiahiahy.
Ialàna ny trano mampiahiahy
Iaraha-mahalala ny fahalafosan'ny asa fanamboaran-trano. Matetika dia mila fotoana maharitra ny fanangonana ny vola rehetra ilaina. Raha toa ka efa voamarina fa mampiahiahy ny trano ipetrahana, dia tsara raha ialàna aloha. Na tsy mirodana mandritra ny vanim-potoanan'ny orana aza mantsy ilay fotodrafitrasa, mety hisy loza tampoka rehefa maina ny andro.
Ampahatsiahivina ny rehetra fa iankinan'ny aina ny fikolokoloana ny toerana honenena. Tokony manokana tetibola araka izany ny fianakaviana tsirairay, hanatanterahana ireo asa tsy azo ialàna amin'ny fihazonana ny hamafin'ny trano sy ny tamboho.


