• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Isika Mijoro
Image
Vaovao

Fifidianana Sefo Fokontany : Amin'ny alahady 26 oktobra ny anjaran'Antananarivo Renivohitra

22/10/2025 19:10 © Moov

Amin'ny alahady 26 oktobra ho avy izao ny Fifidianana Sefo Fokontany ho an'ny Fokontany 192 eto Antananarivo Renivohitra.

Maromaro ireo fokontany nitokona sy nanaisotra sefo fokontany, noho ny fiovan'ny Fitondrana. Misy mihitsy aza moa ireo fokonolona nanidy ny biraom-pokontany, toy ny teny Ankazomanga Avaratra. Entina handaminana izany disadisa izany indrindra no antony hanatanterahana fifidianana. Tafiditra ao anatin'ny vinan'ny fanavaozana rahateo ny hoe voafidy avokoa ireo tompon'andraikitra rehetra, miainga avy any amin'ny fokontany.

Fifidianana tsotsotra nefa mahomby

3 andro sisa dia higadona ny datim-pifidianana. Fohy tokoa ny fotoam-pikarakarana, nefa misy lamina apetraka amin'izany. Manomboka rahampitso alakamisy 23 oktobra ny fampahafatarana ny fokonolona mikasika izao fifidianana izao. Hisy moa ny fananganana komity manokana hanatanteraka ny fikarakarana fifidianana isaky ny fokontany, ka tsy isan'izany ny sefo fokontany amperinasa.

Fifidianana misokatra

Azon'ireo ampy taona rehetra atao ny mirotsaka ho fidiana ho sefom-pokontany. Ny hany fepetra dia ny fananana karinem-pokontany, izany hoe misoratra ao amin'ilay fokontany hirotsahana ho fidiana ilay te ho kandida. Ny komity mpikarakara moa no mandray ny anaran'ireo te hirotsaka ho fidiana, sady manatanteraka ny fandaminana rehetra. Tsy adino ny fampahafantarana mikasika ny oram-pifidianana, mba handamina fotoana mialoha ireo mpifidy ka ho tonga maro.
Tsy misy fandatsaham-bato miafina fa tsangan-tanana ihany handaniana ny Sefom-pokontany. Ampahibemaso araka izany ny fanisam-bato, mba tsy hisian'ny disadisa.

Lire la suite

Articles Similaires