Fahaiza-manao Zafimaniry : Kasaina hampidirina ao anaty fandaharam-pampianarana
Voasokajy ho harembakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapaintanana, toy ny Hiragasy sy ny Kabary, ny fahaiza-manao Zafimaniry, araka ny fanambaran’ny UNESCO. Tandindomin-doza anefa ity harena ara-kolontsaina malagasy ity ankehitriny, ka napetraka ny drafitra hahafahana mitahiry azy, ho an’ny taranaka mifandimby.
Zafimaniry harembakok’i Madagasikara
Haren-tsaina sy fahaiza-manao mampiavaka ny Faritra Amoron’i Mania ny fahaiza-manao Zafimaniry, saingy tsy mijanona hatreo ihany. Isan’ny ahafantaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara mihitsy ny asa tanana Zafimaniry, izay miavaka tokoa. Tamin’ny taona 2008 no nampidirina ho ao anatin’ny lisitr’ireo harembakoka tsy azo tsapain-tanana eo anivon'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana ho an'ny fanabeazana, ny siansa sy ny kolontsaina (UNESCO) izy ity. Tsara ihany ny manamarika fa ilay fahaiza-manao mihitsy no sokajiana ho vakoka, dia ny fahaizana manao sokitra, ny fahaizana mandrafitra ny hazo ho lasa fanaka, ny fahaizana manangana trano tsy mampiasa fantsika, izay antsoina hoe : "Trano mena", sy ny maro hafa.
Mandalo fotoan-tsarotra anefa ny fahaiza-manao Zafimaniry ankehitriny, noho ny antony maro. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fihenan’ny hazo, izay akora fototra ampiasaina amin’ny fanamboarana ireo asa tanana isan-karazany. Misy karazany roapolo mahery izany hazo izany, izay samy manana ny fampiasana azy avy. Araka ny nambaran’ny mpanao sokitra iray avy ao Sakaivo, dia mila mandeha an-tongotra roa andro miala ny tanànany izy ankehitriny, vao mahita ny hazo ilainy. Efa taona vitsy izao no nanaitra an’ireo izay mety ho voakasika rehetra, ireo mpitazona ny kolontsaina Zafimaniry, satria raha miroso mankany amin’izany faharinganana izany tokoa ireo hazo, dia ho foana ihany koa ity fahaiza-manao fanta-daza maneran-tany ity.
Lova ho an’ny taranaka
Efa nisy ny fijerena teny ifotony, notanterahin’ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Amoron’i Mania, tany amin’ireo Kaominina miisa enina izay mandrafitra ny Faritra Zafimaniry, toa an’Antoetra sy Sakaivo. Ho tohin’izany, dia nisy ny fakan-kevitra sy fiaraha-midinika notanterahina tao Ambositra, ny 20 sy 21 ôktôbra 2025 teo. Tanjona ny fametrahana drafitrasa, ho fitahirizana ny fahaiza-manao Zafimaniry sy ho fampitana izany amin’ny taranaka. Ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no nitarika izany, niaraka tamin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny UNESCO.
Isan’ny nivoitra tao anatin’izany ny fitadiavam-bahaolana amin’ny faharitan’ny hazo fampiasan’ireo mpanao asa tanana. Ankoatra izay dia heverina ihany koa ny hahafahana mampiditra ny fahaiza-manao Zafimaniry ao anatin’ny fandaharam-pampianarana, mba holovain’ireo taranaka, izay hanohy ny fampiroboroboana ity kolontsaina malagasy miavaka ity. Navondrona tao anatin’ny drafitra iray ny hevitry ny mpandray anjara tamin’ny dinika, izay nahitana mpanao asa tanana, raiamandreny mpahalala tantara, manam-pahefana sy ireo mpisehatra isan-tsokajiny amin’ny haitao Zafimaniry. Izany no entina mamolavola drafitra hotanterahina ao anatin’ny fe-potoana 2026 – 2030. Ho entin’ny ministeran’ny Kolontsaina eo anivon’ny UNESCO izany avy eo, ary hitadiavana mpanohana ara-bola sy ara-teknika, mba hahafahana manatanteraka azy.