• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Cu Antsirabe
Image
Vaovao

Antsirabe : Mitohy ny fanarenana ny tsena sabotsy, miara-miasa ny fanjakana sy ny tsy miankina

22/10/2025 15:42 © Moov

Mbola tsy vita tanteraka ny fanarenana ireo simba marobe noho ny fahamaizan’ny tsena sabotsy ny 21 jolay lasa teo. Mitohy ny fizarana fitaovana samihafa, hanarenan’ny mpivarotra tsirairay izany.

Efa misy asa vita

Raha tsiahivina dia ny 90% ny tsena izay mirefy 4,5 Hektara no nahitana izay fahamaizana izay. Tao anatin’izay 3 volana izay dia efa nisy ny asa vita amin’ny fanarenana. Raha ny fanazavana avy amin’ny Kaominina Andrenivohitra Antsirabe dia « hangar » miisa 15 izay mirefy 5/15 metatra no efa voatsangana hatreto ary ny 4 amin’izany no efa voatafo miaraka amin’ilay hangar 1 mirefy 40 metatra nataon’ny mpivarotra. Maro ihany koa ireo fangatahana an-tsoratra efa voavaly, hoy hatrany izy ireo. Fangatahana an-tsoratra nataon’ny mpivarotra izay efa nanao ny azy fa tsy vitany hatramin’ny farany toy ny fanamboarana « dallage » sy « enduit » izany. Ho fanohizana ny asa dia nisy ny fanolorana tafo miisa 500, avy amin’ny Ben’ny tanàna, ny Dr Unoh. Talohan’izany dia efa tafo miisa 850 no natolotr’ireo tsara sitrapo, ho an’ireto mpivarotra ireto.
Efa maro ireo mpivarotra no miverina manao ny asany andavan’andro. Etsy ankilany kosa dia nisy ireo nanajanona ny sehatry ny varotra izay nataony ka mangataka ny hizarana ireo fanomezana samihafa. Taorian’ny fanolorana ireto tafo ireto anefa dia tapaka fa ho tohizana hatramin’ny farany ireo fotodrafitrasa iombonana izay efa natsangana ireo. Hisy kosa ny lamina ho apetraka amin’ny fanomezana tafo sy fitaovana hafa ho an’ireo izay tena mila izany.

Sosialin’olona aman’arivony

Zava-dehibe ary tokony asa haingana ity fanarenana ny tsena sabotsy ity. Raha ny tatitra farany taorian’ny famaizana mantsy dia manodidina ny 3 500 ireo mpivarotra rava fananana sy fihariana tao. Araka izany, sosialin’olona aman’arivony no voatohintohina, taorian’iny fahasimbana be iny. Na dia teo aza ireo fanampiana samihafa avy amin’ny sehatra tsy miankina dia maro ireo mpivarotra no tsy niverina nivarotra ao an-toerana intsony, amin’izao fotoana izao. Azo heverina araka izany ny olana aterak’izany amin’ny fiainana andavan’andron’ny Malagasy aman’arivony, ka isan’ny maha-laharam-pahamehana ny fanarenana.

Lire la suite

Articles Similaires