• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Africa Press Arabic
Image
Vaovao

Primatiora : Ampiharina ny « politique zéro tolérance » amin’ireo fanetriben’ny firenena

21/10/2025 16:29 © Moov

Taorian’ilay toromarika izay navoakan’ny avy ao amin’ny Primatiora, ny maraina teo, dia namoaka fanambarana indray izy ireo ny hariva teo. Voalaza tao anatin’izany fa ho enjehina, araka ny lalàna ireo fahavalom-pirenena mpanodinkodina vola sy harem-pirenena.

Tsy misy famindram-po

Nambaran’ny Primatiora fa tsy maintsy hohenjehina araka ny lalàna avokoa ireo olona rehetra voarohirohy amin’ny fanodinkodinana volam-panjakana na harem-pirenena. Araka ny toromarika mazava navoakan’ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny fametrahana azy tamin’ny fomba ofisialy dia tsy misy ho afa-maina amin’izany, na olon-tsotra, na tomponandraikitra, na mpiara-miasa amin’ny fitondrana.
Voalaza tamin’izany fa tsy hisy fijerena tavan’olona amin’ny fampiharana ity politika ity. Ireo rehetra hananana porofo mazava dia tsy maintsy mamerina ny vola na ny harem-pirenena nalaina tamin’ny fomba tsy ara-drariny, na dia any ivelan’ny firenena aza no misy azy. Fanamafisana mazava izany amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitakiana mangarahara eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

Ho hentitra ny famindram-pitantanana sy fanaraha-maso

Anisan’ny fepetra voalohany amin’ny fampiharana ny “politique zéro tolérance” ny fanatanterahana famindram-pitantanana mangarahara amin’ireo tomponandraikitra ambony rehetra eo anivon’ny Primatiora sy ny minisiteran’ny fitondrana. Araka ny toromarika laharana faha 117-PM/SGG/25, izay nivoaka androany maraina, dia tsy mahazo miala an’i Madagasikara ao anatin’ny telo volana ireo tomponandraikitra ireo, mandra-pahavitan’ny fitsirihana fitantanana (audit de gestion) efa an-dalam-panomanana.
Miazakazaka ny fandraisana andraikitra hataon’ity Praminisitra vaovao, vao voatendry omaly 20 oktobra ity. Azo lazaina ho manamarika ny fiandohan’ny fampiharana hentitra sy manara-penitra amin’ny ady amin’ny kolikoly ihany koa moa ity politika vaovao, hotanterahina ity. Raha tsiahivina dia fanirian’ny fitondrana vaovao ny hanadio ny rafitra sy hanangana fitantanana mangarahara sy tompon’andraikitra ho an’ny firenena, ka efa isan’ny fizorana mankany amin’izany itony fanapahan-kevitra itony.

Lire la suite

Articles Similaires