• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

LFI 2026 : Tokony hahitana taratra ny pôlitikam-pitsitsiana, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena

21/10/2025 15:29 © Moov.Mg

Ny fandinihana sy fandaniana ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona manaraka no tena hifantohana, mandritra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena. Nandritra ny lahateniny, taorian’ny fianianany, dia nilaza ny hametraka pôlitikam-pitsitsiana ny filoham-panjakana, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Tokony ho hita taratra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izany, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena.

Fandaniana ny tetibolam-panjakana taona 2026

Nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy androany talata 21 oktobra 2025 ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Araka ny andininy faha-75 amin'ny Lalàmpanorenan'i Madagasikara, dia hifantoka betsaka amin’ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2026 ity fivoriana ara-potoana faharoa ity.

Tao anatin’ny lahateniny, dia manao antso amin’izay Governemanta hitsangana eo ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, mba tena hahitana taratra ny politikam-pitsitsiana, izay nambaran’ny Kolonely Randrianirina Michaël, Filohan’ny Rafitra Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara izany, ary mba tena hamaly ny hetahetan’ny vahoaka. Notakiany, tao anatin’ny fandraisam-pitenenany ihany koa, ny mba hahatongavan’izany volavovolan-dalàna izany ara-potoana, eny anivon’ny Antenimierampirenena, mba hahafahan’ireo Solombavambahoaka mandinika izany araka ny tokony ho izy. Etsy an-daniny, nanentana ireo Solombavambahoaka mba havitrika amin’izany fandraisana andraikitra izany ny filohan’ny Antenimierampirenena.

Fanavaozana an’i Madagasikara

Isan’ny notsiahivin-dRandrianasoloniaiko Siteny, tao anatin’ny lahateniny ihany koa, ireo asan’ny Antenimierampirenena, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, amin’ny maha-fahefana mpanao lalàna azy, fa amin’ny maha-mpanara-maso ny fahefana mpanatanteraka an’ireo Solombavambahoaka ihany koa. Manan-danja lehibe ao anatin’izany ny fifanatrehan’ny Antenimierampirenena amin’ny Governemanta, sy ny hanaovan’ny Praiminisitra tatitra momba ny asan’ny Governemanta eo anatrehan’ireo Solombavambahoaka.

Nanipika ny filohan’ny Antenimierampirenena fa mbola mitohy ny tolona ho amin’ny fanavaozana an’i Madagasikara. Vonona ny handray andraikitra sy ny fepetra rehetra ny Antenimierampirenena, hoy izy, mba ho fanatanterahana ny tena fanarenana.

Lire la suite

Articles Similaires