Fahapotehan’ny ala honko : Mihena ny fotoana ahafahan’ireo mpanjono miandriaka
Miantraika mivantana amin’ny asa fiveloman’ireo mpanjono madinika ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetry ny andro. Isan’ny miaina izany ireo mpanjono monina ao amin’ny fokontany Betania Morondava, Faritra Menabe.
Mihena ny fotoana hanjonoana
Isan’ny voka-dratsy goavana ateraky ny fiovan’ny toetr’andro ny fihenan’ny fotoana hahafahan’ny mpanjono miandriaka. Araka ny fanadihadiana iray notanterahina tany amin’ny Nosy Barren, any amin’ny Faritra Melaky, dia manodidina ny 21,7 ora isan-taona no very, amin’ny fotoana tokony hanjonoana. Tombana amin’ny ankapobeny ihany izany, fa mety ho mafy kokoa noho izany aza no iainan’ireo mpanjono eny ifotony.
Fokontany faha-18 ao amin’ny Kaominin’i Morondava Renivohitra i Betania, izay sokajiana ho tanànan’ny mpanjono. Araka ny fanazavan’i Sitraka Noa Ejeudine, mpitaridia ao an-toerana, dia mpanjono avokoa ny 98% amin’ireo mponina ao. Tsikaritra anefa fa matetika kokoa no ahitana ireo lakana mipetraka eo amoron-dranomasina, satria tsy afaka mandeha miandriaka ireo mpanjono. Manonja mafy kokoa ny ranomasina, hoy i Sitraka Noa Ejeudine, ka tsy afaka mandeha miandriaka alavitra ny mpanjono. Simba ihany koa ny toerana fanatodizan’ny hazan-dranomasina, ka mihalany ny drakaka sy ny tsisika, raha ny tsikaritr’ireo mpanjono sy ireo mpitondra lakana ao Betania. Ny fanapahana ny honko no isan’ny miteraka izany.
Fiarovana ny ala honko
Vokatry ny ataon’ny olombelona ihany anefa izany, araka ny fanazavan’i Sitraka Noa Ejeudine. Tsy vita mora, hoy izy, ny manova ny fahazaran’ny olona : « Sarotra ny mandresy lahatra ireo mpanapaka honko, fa tsy tokony hopotehina izy ireny, satria miaro ny tany ». Na izany aza, misy ny fandraisana andraikitra efa ataon’ireo Vondron’Olona Ifotony mpiaro ny ala honko manodidina ny tanànan’ny mpanjono ao Betania. Misy ny polisin’ala mpanara-maso, ka ampiharina amin’izay tratra mandika lalàna ny dina : « raha 20 no isan’ny hazo notapahany, dia mamboly zana-kazo 10 isaky ny hazo iray notapahany izy, fara-fahakeliny, ho solony », hoy ny fanazavan’ny mpitaridia. Mbola miampy lamandy izany, mba tsy hamerenany intsony, araka ny fanazavana hatrany.
Araka izany, isan’ny antoka hitandrovana ny jono sy ny toekarena manga ao amin’ny Faritra Menabe ny fiarovana ny ala honko, izay fonenan’ireo hazan-drano isan-karazany, miaro ny sisin-tany ary mangeja ny entona karibaonina.