ENMG : Tsy miova ny datin'ny fifaninana handraisana Mpitsara 2025
ENMG- Hotanterahina ny 28 hatramin'ny 31 oktobra izao, araka ny efa tapaka hatramin'ny voalohany, ny fifaninanana handraisana mpianatra mpitsara 2025.
Tsy misy fiovana ny datin'ny fanadinana. Izany no tapaka nandritra ny filan-kevitra siantifika, teo anivon'ny "Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes" (ENMG).
Handray mpianatra miisa 150
Efa ny volana septambra lasa teo no nivoaka ny lisitry ny mpifaninana voatokana handray anjara amin'ity fifaninanana ity. Izy ity izay mahasarika olona aman'arivony, hatrany, isan-taona. Tamin'ity taona 2025 ity fotsiny dia miisa 4 170 ireo nametraka taratasy tamin'izany. Ao anatin'izany anefa dia toerana 150 ihany no afaka hatolotra azy ireo. Ao anatin'izany dia 100 amin'izy ireo ihany no ho raisina ao amin'ny sampana "judiciaire" raha 2 347 ny mpifaninana. Miisa 25 ihany kosa no ho raisina ao amin'ny sampana "financière" amin'ny mpifaninana miisa 942 ary 25 ihany koa ny ao amin'ny sampana "administrative", hotsongaina amin'ireo mpifaninana miisa 885.
Tsara ny manamarika fa dingana voalohany ihany ity ho tanterahina ny faran'ny volana oktobra ity, mba hahafahana miditra amin'ny dingana "phase d'admissibilité".
Fiarahamiasa amin'ny Komity Fanarenana sy ny GenZ
Manoloana indrindra ny zava-misy eto amin'ny firenena, dia nandray fepetra manokana ny Minisiteran'ny fitsarana mba hampirindra ny fanadinana. Nanome toky araka izany ny avy ao amin'ny Minisitera, sy ny avy ao amin'ny ENMG, fa fifaninana madio, mangarajara, tsy mosy kolikoly ary tsy hisy tsindry no ho tanterahina. Hisy ny fifampidinihana mialoha miaraka amin'ny Kômity fanarenana sy ny tanora avy ao amin'ny Gen Z, hifampidinihana ny fifanomezan-tanana, mba hahatomombana ny fanadinana.
Raha tsiahivina dia efa naparitaka manerana ny Nosy ny 19 septambra lasa teo ny taratasy fiantsoana ireo mpifaninana rehetra. Azo alaina eny amin'ireo paositra ny "convocation" ho an'ireo mbola tsy nahazo izany.