18 oktobra : Andro erantany ho an'ny "Ménopause"
Ankalazaina isaky ny 18 oktobra ny "Journée mondiale de la ménopause" na "Andro erantany ho an'ny Fitsaharam-pitsaihana".
Anisan'ny mampihorohoro renim-pianakaviana maro izany hoe "Ménopause". Mailomailo mihitsy ireo vehivavy rehefa manakaiky ny faha-40 taona. Misy aza moa efa mitsaha-pitsaihana sahady manomboka amin'ny faha-35 taona.
Fankalazana ny 18 oktobra
Ny "International Menopause Society" no nametraka ny 18 oktobra ho "Andro erantany ho an'ny Fitsaharam-pitsaihana". Ity androany ity dia fotoana ho an'ny matihanina ara-pahasalamana, fikambanana ary ny fiarahamonina hiara-mivory mba handamina hetsika fampahafantarana, fihaonambe ary atrikasa. Ireo hetsika ireo dia mikendry ny hampianatra ny vehivavy momba ny menopôzy, hizara loharano, ary hitarika adihevitra misokatra mikasika ny Fitsaharam-pitsaihana.
Fitrangan'ny "Ménopause"
Vanim-potoana lehibe manamarika ny fiainan'ny vehivavy ny "Ménopause". Amin'ny ankapobeny, misedra fahasarotana ny vehivavy rehefa tonga eo amin'izany Fitsaharam-pitsaihana izany. Arakaraka ny toe-batana ny fisehon'ireo tsy fahatomombanana mety hitranga : tsy fahitan-tory, fiovaovan'ny fihetsehampo, hafanana tsy zaka, sns. Noho ny fiovan'ny tsirimpanentana, mety ho maina ny hoditra na mora mikentrona, mihintsana ny volo na mora tapaka ny hoho. Tsy adino ny mety ho fahalainana amin'ny firaisana ara-nofo.
Ilain'ny vehivavy tokoa ny fanohanan'ireo akaiky azy sy ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana mba tsy hahatonga rarintsaina na aretina sarotra tsaboina.