• Cours de change
  • 5176.55 AR
  • |
  • $4500.64 AR
Copyright Image : © Avogel
Image
Fahasalamana&Sakafo

16 oktobra - Andro iraisampirenena ho an'ny Sakafo

16/10/2025 10:35 © Moov

Ankalazaina isaky ny 16 oktobra ny "Andro Iraisam-pirenena momba ny Sakafo" na "Journée Mondiale de l'Alimentation"

Ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) no nanapa-kevitra mikasika izany fankalazana izany. Ny tanjona moa ny fampahafantarana ny ady amin'ny hanoanana, ny fiarovana ara-tsakafo ary ny faharetan'ny rafitra ara-tsakafo. Noforonina tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 1979 izy io, nandritra ny Fihaonambe faha-20n-'ny FAO.

Faha-80 taonan'ny FAO

Amin'ity taona ity, mifanindrandalana amin'ny fankalazana ny faha-80 taona nijoroan'ny FAO amin'ny ady amin'ny hanoanana ny "Andro Iraisam-pirenena momba ny Sakafo". Ho marik'izany, mandray anjara amin'ny fankalazana ny Papa Léon XIV, any amin'ny foiben-toeran'ny Vondrona Iraisampirenena. Manameloka ny fahafatesan'ny olona maro noho ny hanoanana moa ny Papa Léon XIV, araka ny hafatra nalefany ho an'ireo mpandray anjara tamin'ny fivoriana faha-44 tamin'ny Kaonferansa FAO.
Hisy ny fanentanana manokana mikasika ny maha-zava-dehibe ny sakafo mahasalama, maharitra ary ho an'ny rehetra. Mihoatra ny 150 ny firenena mandray anjara amin'ity hetsika manokana androany ity.

Inona avy ireo torohevitry ny FAO ?

Manome sosokevitra momba ny karazan-tsakafo sy ny fomba fihinanana izany ny FAO, mba hisitrahan'ny mihinana ny otrikaina ilaina ho fampiroboroboana ny fahasalamana sy hisorohana ny aretina mandalo na maharitra. Tokony hanina matetika ohatra ny voankazo, voankazo maina, legioma, voamaina sy katsaka feno, trondro, hena fotsy, atody, vokatra azo avy amin'ny ronono, sns. Ahena kosa ireo vokatra matavy sy masira na mamy loatra. Mazava ho azy, tsy mahasoa ny vatana ireo vokatra ara-tsakafo voahodina, misy akora simika fitehirizana. Tsy azo adinoina ihany koa ny fanaovana fanatanjahantena.

Lire la suite

Articles Similaires