• Cours de change
  • 5176.55 AR
  • |
  • $4500.64 AR
Copyright Image : © Cosmopolitan
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny fidinan’ny tosidrà

15/10/2025 14:31 © Moov.Mg

Rehefa miresaka ny olana eo amin’ny tosidrà dia ny tosidrà avo foana matetika no asian-teny sy mampitaintaina. Marihana nefa fa tsy ara-dalàna ihany koa ny tosidrà iva mihoatra ny tokony ho izy. ‘Ndeha ary ho resahana eto ny atao hoe tosidrà iva, ny antony mety mahatonga azy, ny fomba fisehony sy ny fomba atao hisorohana izany.

Inona no atao hoe tosidrà iva ?

Ny tosidrà na « tension artérielle » dia ny tosiky ny rà mankany amin’ny lalandrà vokatry ny fikainkonan’ny fo. Voarakitra isa roa moa ny tosidrà. Ny voalohany dia ny « tension systolique » izay refin’ny tosiky ny rà avo indrindra voaray rehefa mitsapa tosidrà. Ny faharoa kosa dia ny « tension diastolique » ny tosiky ny rà iva indrindra voarefy.
Ny « valeur » ara-dalàn’ny tosidrà dia tokony ho eo anelanelan’ny 90/60 mmHg sy 140/90 mmHg. Raha latsaky ny 90/60 mmHg ny tosidrà dia izay no atao hoe tosidrà iva na « hypotension ». Mety ho fambaran’ny fihidinan’ny tosidrà tampoka sy mandalo ihany koa izany.

Ireo antony mety mampidina ny tosidrà

Miovaova ny tosidrà ao anatin’ny tontolo andro. Maro ireo antony mety mampidina azy io :
-Tsy fahampiana rano na « déshydratation ». Isan’ireo antony lehibe mampidina ny tosidrà izy io. Rehefa tsy ampy rano ny vatana dia mihena ny « volume » ny rà mikoriana ao amin’ny vatana ka mampidina tampoka ny tosidrà.
-Fanafody. Misy fanafody sasany mety mitarika fidinan’ny tosidrà, indrindra raha toa ka tsy mety ny fatrany, na koa raha tsy mahazaka azy ireny.
-Aretina sasany. Misy aretina sasany, toy ny aretin’ny fo sy ny lalandrà, fikorontanan’ny hormonina, « troubles nerveux »… mety mahatonga tosidrà iva.
-Fomba fiaina sy tontolo manodidina. Ny andro mafana, hafanana be loetra, tebiteby, tsy fahampian-tsakafo, tsy fahampiana rà (anémie)… dia mety mampidina ny tosidrà.

Ahoana ny fomba fisehon’ny fidinan’ny tosidrà ?

Miankina amin’ireo antony mety mahatonga azy ny fomba fisehon’ny fidinan’ny tosidrà. Anisan’ireo fahita ny hoe :
-Fanina. Matetika rehefa midina be tampoka ny tosidrà dia mahatsiaro tena fanina na koa toy ny mitady tsy hahatsiaro tena ilay olona. Rehefa miova « positions » na rehefa mitsangana matetika no tena tsapa ireo soritr’aretina ireo ;
-Reraka. Mety hahatsapa reraka sy kely aina ;
-Maloiloy. Mety mitarika fahatsapana maloiloy, te handoa na mavaivay ao amin’ny vavony rehefa midina ny tosidrà ;
-Marary andoha.

Ahoana no atao hisorohana ny fidinan’ny tosidrà?

Maro ireo fepetra tsotra azo arahina mba hisorohana ny tosidrà iva sy ny fidinan’ny tosidrà tampoka. Anisan’izany ny :
-Fisotroana rano tsara ao anatin’ny tontolo andro ;
-Famerana ny fijoroana maharitra, indrindra raha efa manana tosidrà iva na raha mahatsapa ireo soritr’aretina voalaza teo ambony ireo. Raha tsy maintsy mijoro ela dia miezaka mihetsiketsika matetika mba hikoriana tsara ny rà ;
-Fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana ;
-Fanaovana fanatanjahantena matetika mba hanamafisana ny fo sy ny lalandrà ary hitazomana ny tosidrà « normale ».

Lire la suite

Articles Similaires