Tongolo gasy : manampy amin’ny fikoloana ny fo sy ny lalandrà
Maro ireo vokatsoa entin’ny tongolo gasy ho an’ny fahasalamana, ka anisan’izany ny fikoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà. Manankarena « composés souffrés », toy ny « allicine », izy io ka manampy amin’ny fiadiana sy fisorohana ireo aretin’ny fo sy ny lalandrà. Araho eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.
Ahoana ny fiasan’ny tongolo gasy hitandrovana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà?
Maro ireo vokam-pikarohana manambara fa manampy amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny fo ny fihinanana tongolo gasy. Miasa amin’ny fomba samihafa ity farany ho fanatanterahana izany :
-Mampihena ny « cholestérol LDL ». Ny tongolo gasy dia mitahiry singa izay manakana ny famoronana « cholestérol » ao amin’ny aty. Izany moa dia mampihena ny « cholestérol » ratsy ao anatin’ny rà. Mandray anjara amin’ny fisorohana ny fiangonan’ny « plaques » ao anatin’ny lalandrà izany.
-Mampidina ny tosidrà. Ny « allicine » ao anatin’ny tongolo gasy dia manana fiasa « vasodilatateur » na hoe mampihitatra ny lalandrà. Izany moa dia manamora ny fikorian’ny rà ary mampidina ny « pression » ao amin’ny lalandrà. Misy ireo vokam-pikarohana mampiseho fa afaka mampidina ny « tension systolique » sy ny « tension diastolique » ny fihinana tongolo gasy isan’andro.
-Manatsara ny fikorian’ny rà. Manana fiasa « anticoagulantes » voajanahary ny tongolo gasy. Izany hoe manampy amin’ny « fludification » ny rà izy io ka manakana ny fivondronan’ireo sela mpanao rà na « plaquettes ». Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny fiforonan’ny vaingan-drà mety mitarika fahatapahan’ny lalandrà ao amin’ny loha na ao amin’ny fo izy io.
Ireo fitandremana mikasika ny fihinana tongolo gasy
Marina fa azo antoka amin’ny fitandrovana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà ny tongolo gasy, amin’ny ankapobeny. Misy ihany nefa ireo toe-javatra mety hamerana na hifadiana ny fihinanana azy io. Anisan’izany ny :
-« Interactions médicamenteuses ». Ho an’ireo mihinana fanafody fitsaboana aretin’ny fo sy ny lalandrà dia mila tandremana tsara ny fihinanana tongolo gasy. Misy fanafody sasany tsy afaka mifandray amin’izy io, toy ny « anticoagulants », ohatra. Mety mampitombo ny fiasan’ireto farany ny tongolo gasy ka mety hampandeha rà be tsy ara-dalàna.
-« Troubles de la coagulation ». Ireo olona manana olana « troubles de la coagulation » dia mila mailo amin’ny fihinanana tongolo gasy satria mety vao maika hampitatra izany izy io.
-Hididy tsy ho ela. Mila atsahatra ny fihinanana tongolo gasy 2 herinandro fara fahakeliny alohan’ny handalovana fandidiana. Izany dia ho fitandremana ny mety ho fiantraikany amin’ny « coagulation sanguine ».