• Cours de change
  • 5169.19 AR
  • |
  • $4482.14 AR
Copyright Image : © Paris Store
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sakamalaho : vahaolana natoraly hiadiana amin’ny maloiloy

13/10/2025 16:23 © Moov.Mg

Akora natoraly fampiasa hatry ny ela hikolokoloana ny fahasalaman’ny taova fandevonan-kanina ny sakamalaho. Izy ity moa faka iray manana tsiro masitsiaka sy somary « citronnée » izay mandaitra amin’ny fampitoniana olan’ny fandevonan-kanina mpiseho matetika, toy ny maloiloy, ary indraindray ny vavony mavaivay.

Sakamalaho : manampy hisorohana sy hampitoniana ny fahatsapana maloiloy

Ny sakamaloho dia manana fomba fiasa « antiémétiques », izany hoe afaka misoroka sy mampitony ny fahatsapana maloiloy sy te handoa. Fampiasa hatry ny ela :
-Eo amin’ny tsy fahazakana fitaterana, na an-tanety, an-dranomasina na an’habakabaka ;
-Eo amin’ny fahatsapana maloiloy mandritra ny fiandohan’ny fitondrana vohoka ;
-Eo amin’ny fahatsapana maloiloy sy mandoa aorian’ny fanaovana « chimiothérapie » na fandidiana « mineure ».

Ahoan’ny ny fiasan’ny sakamalaho manoloana ny fahatsapana maloiloy ?

Ireo « composés actifs », toy ny « gingérols » sy « shogaols », hita ao anatin’ny sakamalaho no mampandaitra azy hiadiana amin’ny maloiloy sy ny vavony mavaivay.
Ny fiasany eo amin’ny vavony : Mandrisika ny famokarana « sucs digestifs » ary manafaingana ny fanadiovana ny vavony ireo singa ao anatin’ny sakamalaho voalaza ireo. Izany dia mampitony ny fahatsapana mavesabesatra sy tsy mampahazo aina ao amin’ny vavony mialohan’ny fitrangan’ny maloiloy.
Ny fiasany eo amin’ny atidoha : Ireo singa anatin’ny sakamalaho ireo dia mifandray amin’ireo « récepteurs » ny hormonina (sérotonine) ao anatin’ny taova fandevonan-kanina. Izany dia mandray anjara amin’ny fandrindrana sy fampihenana ny fahatsapana maloiloy tonga any amin’ny atidoha.

Ahoana ny fihinanana ny sakamalaho hiadiana amin’ny maloiloy ?

Maro ny fomba azo hinanana ny sakamalaho mba hiadiana amin’ny fahatsapana maloiloy :
-Hoanina manta. Izany hoe silahana manify ny sakamalo efa voasasa sy voavaofy. Io silany io no tsakoana avy hatrany ;
-Atao « infusion ». Maka sakamalaho eo ho eo amin’ny 1sm na 2sm ary kikisana anaty rano mangotraka iray kaopy. Avela hipetraka kely 10 na 15 minitra ary io no sotroina miadana ;
-Mampiasa sakamalaho vovony. Ho an’ireo maloiloy vokatry ny tsy fahazakana fitaterana dia manampy hampitoniana izany ny fihinanana sakamalaho vovony 1gr isan’andro. Azo zaraina ho 250mg na 500mg hoanina indroa na in-efatra ao anatin’ny iray andro izy io.

Lire la suite

Articles Similaires