• Cours de change
  • 5169.19 AR
  • |
  • $4482.14 AR
Copyright Image : © Ccsav
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana ara-tsaina : mila fikolokoloana

10/10/2025 11:23 © Moov.Mg

Marihana isan-taona ny faha 10 oktobra ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ara-tsaina. Ny fitandrovana ny fahasalamana ara-tsaina tokoa mantsy no isan’ny miantoka ny « bien-être » amin’ny ankapobeny. Ny fikoloana ny saina dia manampy amin’ny fahafahana manatanteraka zavatra, miatrika ireo sedram-piainana, mamokatra sy manampy amin’ny fifandraisana amin’ny hafa.

Inona no atao hoe fahasalamana ara-tsaina

Tsy mihonona amin’ny tsy fisian’ny aretin-tsaina fotsiny ihany ny fahasalamana ara-tsaina. « Etat de bien-être » feno izay hahafahan’ny saina sy ny vatana miasa tsara izy io. Ny fahaketrahana sy ny « troubles anxieux », ohatra, dia isan’ireo tsy fahatomombanana ara-tsaina fahita sy mety hitarika tsy fahafana mampiasa saina na mampiasa vatana ara-dàlana raha toa ka tsy voaray an-tanana.
Ny fitandrovana ny fahasalaman’ny saina arak’izany dia mikendry ny :
-« Bien-être » isan’andro ;
-Fampihenana ireo « facteurs de risques », toy ny rarintsaina, fitokatokanana… ;
-Famantarana sy fandraisana an-tanana mialoha ireo fambara ny « mal-être ».

Fitandrovana ny fahasalamana ara-tsaina : hatsaraina ny fomba fiaina

Toy ny fitandrovana ny fahasalaman’ny vatana ihany ny fahasalaman’ny saina ka mifototra amin’ny fampiharana fahazarana ara-pahasalamana :
-Manao fanatanjahantena na mampihetsiketsika vatana matetika. Izany dia mba hamokaran’ny vatana « endorphines » antsoina ihany koa hoe « hormones du bonheur ». Izy ireo dia mampihena ny tebiteby ary manatsara ny toe-po. Ny fandehanana tongotra isan’andro dia efa manova zavatra lehibe.
-Matory tsara. Tena ilain’ny vatana sy ny saina ny fatoriana tsara sy ampy amin’ny alina. Fadiana ny mijery « écrans » rehefa adiny iray ora alohan’ny hatoriana. Tsara ihany koa raha tsy ovaovaina ny ora handehanana matory.
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana. Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny herin’ny vatana sy ny toe-po ny sakafo hoanina. Ireo sakafo mamelona ny atidoha no tsara hoanina betsaka.
-Mifehy ny rarintsaina sy ny fihetseham-po. Ny olona tsirairay dia tsy maintsy mandalo adin-tsaina sy rarintsaina eo amin’ny fiainana. Mila mianatra mifehy azy ireny mba tsy hahatonga azy mitoetra. Maro ireo fomba azo atao hanatanterahana izany, toy ny « relaxation », miala voly, sahy mandà rehefa misy zavatra heverina fa hamizaka ny saina sy ny vatana nefa tsy voatery atao…
-Mifandray amin’ny hafa. Ny olombelona tokoa mantsy dia natao hifanerasera amin’ny hafa. Ny fitokatokanana dia anton-javatra lehibe mety manimba ny fahasalamana ara-tsaina.

Oviana no mila mitady fandraisana an-tanana ?

Isan’ny fomba iray hitandrovana ny fahasalama ara-tsaina ihany koa ny fanantonana mpitsabo rehefa tsapa fa ilaina izany. Mila mitady fandraisana an-tanana arak’izany raha toa ka :
-Miova sy tsy mety voatohitra ny fahazarana eo amin’ny torimaso na ny fahazarana ara-tsakafo ;
-Mahatsapa malahelo, tebiteby na hakizitinana tsy mety misinda anatin’ny roa herinandro ;
-Sahirana mifantoka na manao ny asa aman-draharaha fanao amin’ny andavanandro ;
-Misitaka sy tsy te hifandray amin’ny olona akaiky (fianakaviana, namana…) ;
-Manana « pensées sombres » na te hamono tena.

Lire la suite

Articles Similaires