CHU GOB Befelatanana : Mampiaka-peo ireo mpitsabo amin’ny herisetra mianjady amin’ireo marary
Nampiaka-peo ireo mpisehatra ao amin’ny Centre hospitalier universitaire de gynécologie-obstétrique de Befelatanana (CHU GOB) manolona ny herisetra mianjady amin’ireo marary, indrindra ny zaza sy ireo mpitsabo.
Mihamafy ny herisetra
« Mihamafy hatrany ny herisetra atao amin’ireo marary sy ireo mpiasa », hoy ny tompon’andraikitra ny hopitaly. Raha tsy hiresaka afatsy ny omaly alakamisy 9 oktobra fotsiny dia tafiditra tao anatin’ny hopitaly, izay ahitana zaza menavava sy zazakely marary ny baomba mandatsa-dranomaso. Misy tamin’ireo marary no sempotra vokatr’izany ka miteraka aretina fanampiny hafa ho azy ireo, hoy ny tompon’andraikitra, hatrany. Manoloana izany dia nampiaka-peo izy ireo ary nitaky, tsy misy hatak’andro amin’ireo tomponandraikitra ny hampitsaharana ny horohoro atao amin’ny marary sy ny mpiara-miasa eny amin’ny toeram-pitsaboana. Raha tsiahivina moa dia saika teny amin’iny faritr’i Mahamasina sy Anosy ary Anosibe iny no tena nisian’ny hetsika fitakiana, omaly. Nampiasain’ireo mpitandro filaminana hanapariahana ireo mpitolona tamin’izany ny baomba mandatsa-dranomaso ka nisy fiantraikany betsaka tamin’ireo marary.
Toerana saro-pady ny hopitaly
Nampatsiahy hatrany ireo mpisehatra ao amin’ity toeram-pitsaboana ity fa toerana tsy tokony hanaovana herisetra, amin’ny endriny rehetra ny faritry ny Hopitaly. « Toerana saro-pady ny Hôpitaly ary sarobidy ny fahasalamana », hoy izy ireo. Adidin’ny tsirairay araka izany ny manaja ny zon’ny marary, indrindra ny zaza sy ny ankizy. Raha tsiahivina ny lalàna dia tokony toerana tokony ho voaaro sy tsy azo dikaina ny faritry ny hôpitaly, eny fa na anatin’ny korontana aza. Marihina fa efa andro maromaro izay no nahitana korontana hatrany manakaiky ireny toeram-pitsaboana ireny. Samy mampiseho ny alahelony sy ny fitaintainany mikasika izany avokoa ireo mpitondra marary, izay miantso fitoniana ihany koa.