• Cours de change
  • 5169.19 AR
  • |
  • $4482.14 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sakafo ara-pahasalamana : manampy amin’ny fiadiana amin’ny ny rarintsaina

09/10/2025 16:17 © Moov.Mg

Efa noresahana ombieny ombieny ny mety ho vokadratsin’ny rarintsaina eo amin’ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina, indrindra raha toa ka maharitra izy io. Amin’ny maha olombelona antsika nefa dia maintsy misy ny toe-javatra mampiasa saina na mampitebiteby izay mitarika rarintsaina eo amin’ny fainanana. Isan’ireo fomba manampy hiadiana amin’ny rarintsaina sy ny vokadratsin’izany ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana.

Ny fifandraisana eo amin’ny sakafo sy ny rarintsaina

Ny rarintsaina dia misy fiantraikany roa samihafa eo amin’ny fisakafoanana na « alimentation ». Manova ny fahazarana ara-tsakafontsika izy io etsy andaniny. Izany hoe mety hampisakafo be loatra, lasa tia sakafo matavy sy mamy loatra… Etsy ankilany, mety hanakorontana ny fandrindrana ny hormonina, toy ny « cortisol » ihany koa ny rarintsaina ka mahatonga antsika lasa noana lava sy ho sarotra mahalevon-kanina.
Ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja izay manankarena oméga-3, vitamina, mineraly sy antioxydants kosa nefa dia afaka manampy amin’ny fandrindrana ny rarintsaina. Misy ihany koa nefa ireo sakafo sasany mila fadiana satria mety vao maika hampitombo azy io.

Inona ary ireo karazana sakafo tsara hoanina ?

Mba hiadiana amin’ny rarintsaina na koa hampitoniana azy io, dia misy ireo karazana sakafo tsara hoanina, toy ny :
-Trondro matavy (saumon, thon, sardines) izay manankarena oméga-3. Ireto farany dia manampy amin’ny fandrindrana ny hormonin’ny rarintsaina ;
-Voankazo sy legioma izay mitahiry vitamina sy mineraly amin’ny tahany ambony ka mandray anjara amin’ny « bien-être » amin’ny ankapobeny ;
-Céréales complètes noho izy ireo manankarena vitamina B dia manatsara ny fahafahana mifehy ny rarintsaina ;
-Graines sy noix (voamboatavo, amandes) dia mitahiry magnésium izay mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fiasan’ny atidoha sy amin’ny fampihenana ny rarintsaina.

Ireo sakafo tsara ferana na fadiana

Raha olona mora tratry ny rarintsaina na manao « stress chronique » dia misy ireo karazana sakafo tsara ferana na fadiana mihintsy raha azo atao. Anisan’izany ny :
-Siramamy sy ny graisses saturées. Izy ireto dia mety mampitombo ny fahatsapana miady saina sy ny rarintsaina ;
-Toaka sy ny kafe. Mety hisy fiantaikany ratsy eo amin’ny toe-po sy ny fahafahana mifehy ny rarintsaina izy ireo ;
-Sakafo voahodina. Mety manakorontana ny fahavitana miatrika ny adintsaina sy ny tebiteby ka mora mampisy rarintsaina.

Lire la suite

Articles Similaires