• Cours de change
  • 5168.14 AR
  • |
  • $4469.41 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : "Ho ataon'izay Governemanta vaovao laharam-pahamehana ny hamaly ny hetahetam-bahoaka"

07/10/2025 10:28 © Moov

Voatendry omaly ny Praminisitra vaovao dia ny Jeneraly Zafisambo Ruffin Fortunat Dimbisoa izany. Araka izany, izy indray no ho lehiben’ny Goverenemanta vaovao izay ho atsangana. Hiaraka handrafitra io Governemanta io, ny tenany sy ny Filoham-pirenena mba hanafainganana ny asa miandry azy ireo.

Hanarina ny toe-karena

Raha ny tatitra izay nataon’ny Filoham-pirenena, tamin’ny fihaonana tamin’ireo sehatra tsy miankina sy ireo mpandraharaha ny faran’ny herinandro teo dia mitentina 200 miliara ariary ny fahasimbana rehetra. Laharam-pahamehana araka izany, hoy ny tenany ny fanarenana ny toe-karena, ary tsy maintsy handray anjara amin’izany ireo minisitera izay ho ajoro. « Tanjontsika amin’ny fananganana izany governemanta vaovao izany ny hanarina haingana ny ekonomia ary indrindra hamaly ny hetahetam-bahoaka amim-pahombiazana », hoy hatrany ny Filoha, raha nanafatra ity Praiminisitra vaovao ity. Izany ihany koa no hatao dia ny mba hamerenana amin’ny laoniny ny asan’olona miisa hatramin’ny 2 000, izay very tao anatin’ny idray mipi-maso.

Fiarahamonina sy fiainam-pirenena

Ankoatra ny lafiny ara-toekarena dia laharam-pahamehana ihany koa ny fanatsarana ny fiainam-piarahamonina sy ny fiainam-pirenena.
Ao anatin’izany ny filaminam-bahoaka ka adidin’ity Praiminisitra ity, no mitady olon afaka hanatanteraka izany asa izany ao anatin’ny fotoana fohy. Etsy ankilany dia ho atao faran’izay haingana ihany koa ny fanarenana ny jiro sy ny rano, hoy ny Filoha. Ny fisian’ny governemanta no hamaritra ny fahatanterahan’izany. Hametraka drafitra mantsy ny Filoha sy ny Praiminisitra ary hanatanteraka kosa ny Minisitra izay ho apetraka eo. Mbola asa miandry ny governemanta ihany koa, hoy ny Filoha, ny fanorenana trano honenan’ny mpianatra, mba hahafahan’izy ireo manohy fianarana araka ny tokony ho izy, ka hahazoany asa mifanaraka amin’izany. Nanamafy ny tenany fa 115 000 eo ho eo isan-taona ny isan’ireo mahazo ny diplaoma bakalorea kanefa 50 000 amin’ireo ihany no afaka manohy fianarana. Araka izany dia hisy ny tetibola manokana hananganana « cité universitaire » vaovao. Mbola hamafisina ihany koa ny ady amin’ny kolikoly, hoy ny Filoha. Ao anatin’izany asa izany ny fanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Araka izany, maro ny asa miandry ny governemanta, izay ho atsangan’ny Praiminisitra vaovao, ho avy eo.

Lire la suite

Articles Similaires